19/07/2018

Mpifoka rongony : Notapahiny ny lohan’ny renibeny

Ramatoa be efa nahazohazo taona no novonoin’ny lehilahy mpifoka rongony iray tamin’ny fomba  feno habibiana.Tsy iza no nahavanona  izany  fa ny zafikeliny ihany. Notapahin’ity tovolahy 25 taona  ity tamin’ny antsy lava lela  ny  lohan’io renibeny  io. Tsy vitan’izany  fa mbola nodidiany tamin’io fitaovana maranitra io indray ny tratrany avy eo,  ary navoakany tety ivelany   mihitsy ny fon’ity farany. Maty ary tsy azo natao na inona na inona intsony io niharan-doza io. Tao amin’ny fokontany Mahatalaky Betroka no nitrangan’ity vonoan’ olona mahatsiravina ity ny alahady alina lasa teo,  tokony ho tamin’ny 11 ora. Nohidin’ity lehilahy ity ny varavarana ary ny fatiny efa nitsirara no novantanin’ny zanany lahy, izay rain’io nahavanon-doza io.  Rehefa vitan’ity tovolahy ity izay nataony dia nilefa, ary tsy nandrenesam-baovao intsony ity farany taorian’izay. Araka ny tati-baovao azo avy any an-toerana dia miara-mipetraka amin’ity renibeny  ity nahavanon-doza ity. Fantatra ihany koa fa tsy dia   salama saina ny tenany vokatry ny fidorohana zava-mahadomelina betsaka loatra.

Efa nifampitadiavan’ny zandary tany an-toerana nanomboka ny 05 Marsa teo ity tovolahy ity noho io resaka rongony io ihany. Miara-misalahy amin’ny fandraisana an-tanana ny fikarohana sy ny fanadihadiana momba ity raharaha  ity moa ny zandary sy ny polisy ao Betroka amin’izao fotoana  izao. Nirongatra ny resaka  vonoan’olona  tamin’ny alalan’ny fampiasana zava-maranitra,  tao anatin’ny iray volana mahery izay.Nahitana izany avokoa na ny  teto an-drenivohitra, na  tany amin’ny faritra. Saika namoy ny ainy avokoa ireo olona niantefan’izany. Ny mahasadaikatra amin’ity tranga ity, dia ny zafikeliny  izay notezainy ihany no nahavita nandatsaka  ny  ain’ilay ramatoa be. Antony iray, anisan’ny tsy handeferan’ny mpitandro ny filaminana mihitsy ny fahatratrarana olona mivarotra sy mifoka   rongony, noho ny fisian’ny tranga mampivarahontsana tahaka izao. Io mantsy no fototra iray heverina fa mampirongatra ny asa  ratsy rehetra, ary mampivadika ny olona sasany ho lasa biby fisainana mihitsy, ka hahavitana zavatra tsy voahevitra.  Ho hita miandalana eto ihany ny mety ho tohin’ity raharaha ity.

Mialy. R