23/03/2019

Mpiasam-panjakana manao propagandy : Hotorian’ ny DFP

Am-pelatanan’ny dinika ho an’ny fanavotam-pirenena na ny DFP , ny porofo rehetra ahafahana mitory ireo mpiasam-panjakana manatrika fampielezan-kevitra, na manohana kandidà. Maro ireo tranga niseho indrindra tany amin’ny faritra hoy Maharavo Tolojanahary na i Doudou, ka nisy tamin’ ireo minisitra hoy izy no tsy menatra, sady tsy misy tahotra akory nanohana sy niatrika fampielezan-kevitra. Marihina fa ny fanapahan’ ny HCC, dia mandrara tanteraka ireo minisitra tsy hanatrika fampielezan-kevitra, ary tahaka izany ihany koa ny voalazan’ny lalàm-panorenana ho an’ireo mpiasam-panjakana. Efa hatrany ampiandohana no efa nilaza ny DFP, fa hanara-maso ireo mpiasam-panjakana manatanteraka fampielezan-kevitra ary hitory. Misy amin’ireo mpiasam-panjakana ireo kosa anefa no minia tsy miraharaha ny lalàna velona, ary ny sarin’ ny sasany dia efa hita miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera sy ny fahitalavitra. Ho an’ny mpiasam-panjakana dia efa misy ny sazy voafaritra amin’izany, saingy ho an’ireo minisitra kosa dia hisy fiantraikany amin’ny kandidà notohanany ny fisiany.

Iratra Raitra