20/09/2018

Mpangalatra môtô : Nosavoritahan’ny olona

Miverina ny halatra môtô. Lehilahy iray manodidina ny 22 taona indray no nosavoritahan’ny olona teny Ampefiloha akaikin’ny vavahady, rehefa tra-tehaka teo am-pangalarana môtô. Ny alakamisy 13 septambra lasa teo tokony ho tamin’ny 6 ora hariva no nitranga izany. Araka ny fitantaran’ireo olona teny an-toerana, nisy nahatsikaritra ny nangalaran’ity farany izany teny an-toerana. Rehefa tonga teny an-toerana kosa ny tompony vao nampandre ny olona teny amin’ny manodidina. Tamin’izany indrindra no nanao ny fanenjehana ireo roalahy, ary mbola tratra nanosika ny môtô izy ireo. Nihazo iny lalana mankany Ampefiloha iny ilay mpangalatra niaraka amin’ny môtô nangalariny. Roalahy izy ireo no nanao ny halatra, saingy tafaporitsaka kosa ilay namany izay nitazona ny taratasy sy ny fanalahidin’ny môtô. Niezaka nandositra ihany moa ireto farany saingy tsy lasa lavitra. Tra-tehaka ny mpangalatra iray, ary niharan’ny daroky ny olona. Nifanehitra tamin’izy ireo kosa ny mpitandro filaminana nanao ny fisafoana teny an-toerana, nosavaina avy hatrany izy, ary nahatrarana taratasy tsy ara-dalàna. Tsy tahotra tsy henatra intsony ny an’ity farany, satria raha ny fanadihadiana nataon’ny polisim-pirenena dia nanolotra vola mitentina 5 Alina Ariary ralehilahy ho famotsorana azy tamin’ny asa ratsiny. Noraisim-potsiny noho izany izy ary nitohy teny amin’ny polisin’ny boriborintany faha-4 ny famotorana, ary hatolotra ny fampanoavana aorian’izay. Isan’ny hanenjehana azy ihany koa ny fanaovana tsolotra teo anoloan’ny polisy.

Valérie R.