14/08/2018

Mpanakanto vahiny : Hanolotra seho 2 eto Antananarivo ny tarika Poetic Lover

Tarika frantsay nalaza tamin’ny fiangaliana ireo hiran’ny fo tamin’ny gadona soul na r’n’b. Rehefa nangina nandritra ny fotoana naharitra, hivoaka amin’ny fahanginany ny tarika Poetic Lover, ary tafiditra amin’izany fiverenana izany ny fanoloran’izy ireo seho indroa miantoana eto Antananarivo. Ny 17 ka hatramin’ny 23 mey izy efa-dahy mandrafitra ny tarika no handalo eto, ary tafiditra amin’ny fandaharam-potoana ny seho voalohany etsy amin’ny Carlton Anosy ny 18 mey amin’ny 8 ora alina, ary etsy Antsahamanitra kosa ny seho faharoa ny 19 mey amin’ny 3 ora tolakandro. 10 000 ar sy 20. 000 ariary ny vidim-pidirana amin’ity seho ataon-dry Rud, Jay, Dre ary Rod etsy Antsahamanitra ary 70 000 ariary kosa ny etsy amin’ny Carlton Anosy. Ny Kanto Kintana Production no nampahafantatra io vaovao io tao anatin’ny pejy Facebook-n’izy ireo.

Hiverenan’ny tarika mandritra ireo fampisehoana ireo ny hira nahafantarana sy nampalaza azy tany amin’ny taona 97, taona nahaterahan’ny tarika taorian’ny fandraisana anjara tamin’ilay fifaninanana « Graine de stars », toy ny « Darling faisons l’amour ce soir », « Qu’il en soit ainsi », « Eternellement », « Cette femme »…
Tsiahivina fa taorian’ny lazan’ny tarika tamin’ny taona 1997 dia nanana ny lazany sy ny toerany teo amin’ny sehatry ny mozika frantsay ny tarika Poetic Lover, ary anisan’ny nahazo fankasitrahana sy toerana tsara tamin’ireo fandaharan-kira tany eoropa. Nahatratra 300 000 ny kapila lafo tamin’ilay rakikira voalohany « Amant poétiques ». Tsy araka ny nantenaina anefa ny vokatra tamin’ny rakikira faharoa « Conquête » sy ireo hira « L’avant goût » sy « Eternellement » ka naharava ny tarika tamin’ny taona 2000. 18 taona aty aoriana dia tapa-kevitra ny hiverina indray ny tarika, ary izao manana anjara amin’ny fiverenany izao isika eto Madagasikara.

Miarantsoa