15/12/2018

Morondava : Sokatra miisa 500 tra-tehaka tany anaty sambo

Nahatrarana sokatra 500 isa indray tany Morondava ny talata 09 janoary lasa teo. Araka ny loharanom-baovao, dia nentina tao anaty sambo iray avy any Maintirano ireo harem-pirenena nokasaina entina tany Mahajanga ireo, izao tra-tehaka tao amin’ity distrika ity izao, rehefa nandalo tany an-toerana. Mbola tsy fantatra mazava ny tena tompon’ireo entana ireo hatreto, saingy notanana nanaovana fanadihadiana avy hatrany kosa ny mpanamory io fitaovam-pitaterana eny ambony rano io, mba ahafahana mamantatra ny marina. Araka ny voalaza ihany koa, dia ny 292 tamin’ireo biby ireo no hany sisa velona, fa matin’ny hafanana sy ny hasemporana avokoa ny 208 ambiny. Sendra tsy fahatomombanana moa ilay sambo nitondra izany tamin’io andro io, ka nijanona hanamboatra izany ny tompon’andraikitra. Nampiahiahy ny olona ny fofona maimbo navoakan’ireo sokatra maty ireo, ka nahatonga azy ireo hampandre ny polisy izay tonga tany an-toerana avy hatrany. Rehefa niroso tamin’ny fisavana ireo mpitandro filaminana dia sarona tao anatin’ity sambo ity ireo gony maromaro nifampitaingina, nitondrana ireo harem-pirenena ireo . Ny zavatra azo lazaina ao anatin’ity tranga ity , dia azo antoka fa tsy nahavita irery izao fikasana hanondrana zava-boary antsokosoko izao ity mpanamory ity. Eo am-pamantarana ireo mpiray tsikombakomba aminy noho izany ireo manampahefana amin’izao fotoana izao. Ankoatra ny volamena, dia isan’ireo harem-pirenena Malagasy be mpanafatra sy be mpanondrana ihany koa ny sokatra. Matetika dia teratany vahiny no mandray izany eto amintsika rehefa tsy alefa any ivelany izany. Any amin’ny faritany moa no tena fangalana ireo entana ary dingana sy lalana maro no lalovan’ireo biby ireo vao tonga any amin’ny toerana handefasana azy, izay antony isan’ny mahafaty izany. Vola be no mihodina ao ambadik’ity asa maloto ity, ary sazy faran’izay henjana, miampy fandoavana onitra aman-tapitrisany maro ihany koa no miandry ireo izay tratra manao izany.

Mialy R.