17/07/2018

Morondava : Jiolahy maty voatifitry ny polisy

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana iray indray tany amin’ny fokontany Kimony ny alarobia 3 Janoary 2018 alina, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina tany ho any. Nandriaka ny rà tamin’izany, satria lehilahy iray tamin’ireo jiolahy nanao ny fanafihana mitam-piadiana no matin’ny polisy tsy tra-drano nandritry ny fifampitifirana tamin’izany. Lasan’izy ireo tamin’izany araka ny fampitam-baovao ny vola mitentina fito tapitrisa Ariary. Araka ny fampitam-baovao dia jiolahy miisa dimy nirongo basy poleta iray izy ireo tamin’izany, ary niditra an-terisetra tao amin’ny tranon’ny olona iray. Taorian’ny naharenesan’ny mpitandro filaminana tatitra avy amin’ny olona teo an-tanàna ny zava-nitranga dia nidina haingana izy ireo nijery ny zava-nisy ora vitsy taty aoriana. Tamin’ny nahatongavan’izy ireo dia mbola tra-tehaka teny an-toerana, izay efa teo am-pikasana hitsoaka ireo jiolahy ireo no nifanojo tamin’ny polisy, rehefa avy nandroba ny volabe. Vao nahatazana azy ireo anefa ireto farany dia nirohotra nitsoaka avy hatrany, raikitra ny fifanenjehana teo amin’izy ireo izay narahina fandrahonana azy hijanona tamin’ny alalan’ny tifi-danitra. Rehefa tsy nety nijanona anefa izy ireo dia voatery tsy maintsy niroso tamin’ny fitifirana ny mpitandro filaminana. Ka tamin’izany no nahavoa ny iray tamin’ireo, ka nitarika ny fahafatesany vokatry ny tifitra variraka nihatra taminy. Noho ny andro efa sasak’alina moa sady maizina dia tafaporitsaka, ary tsy hita popoka ireo namany miisa efatra niaraka taminy, izay voalaza fa nitazona ny vola halatra. Efa nanomboka nanao ny fanadihadiana tao amin’ny trano nisian’ny tranga ireo polisy taorian’izay, ary efa eo am-pikarohana fatratra ireo jiolahy iray petsapetsa tamin’io halatra mitam-piadiana nahalasana volabe io ireo polisy ao an-toerana amin’izao fotoana izao. Ilay jiolahy namoy ny ainy kosa dia efa naterina eny amin’ny tranom-paty ao an-toerana ihany.

Valérie R.