16/11/2018

Mondial 2018 : Zara raha nisy 30 ireo nitsena ny ekipam-pirenena breziliana

Sakaizan’ny mpandresy. Eo am-piandrasana ny manasa-dalana izay hanomboka anio, dia efa miverina any an-tanindrazany ireo ekipam-pirenena nihintsana. Raha noheverina ho sangany tamin’ireo mpandray anjara ry zareo Breziliana, dia nody teo amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana izy ireo raha nahiliky ny devoly mena avy any Belgique. Ny faran’ny herinandro teo no nody ny ekipam-pirenena Breziliana. Ny ampahan’ireo mpikambana ihany anefa no tonga dia nody fa maro ireo nisafidy nijanona tao Madrid Espagne, izay seranana nanao fiantsonana, indrindra ireo mpilalao manana ny kliobany any Eoropa. Tamin’ireo mpilalao 7 noheverina fa hanao ny dia hatrany Rio, dia Douglas Costa sy Philippe Coutinho no nanotrona ireo mpomba azy tany amin’ny seranam-piaramanidina. Nihoby sy nankasitraka ireo delegasion’ny Seleçao ireo mpanohana vitsivitsy tonga nitsena azy ireo, ary tao anatin’izany ny mpanazatra, izay mbola tsy fantatra na hanaiky na tsia hanohy ny fanazarana ny ekipa breziliana. « Tonga hanohana ny Seleçao aho, izay tena mila izany. Tonga ihany koa raha nisy ny fandresena, nefa manotrona ihany koa amin’ny tsy fahombiazana mba hilazana azy ireo fa mino azy ireo hiondra amboara faha-6 ho an’i Brésil aho amin’ny 2022 », araka ny fanazavan’ilay mpilalao teo aloha David Santana. Anisan’ireo nandrasana teo Rio nefa tsy hita teny amin’ny seranam-piaramanidina ihany koa i Neymar. Araka ny fantatra dia nandray fiaramanidina manokana nihazo ny toeram-ponenany any Mangaratiba, any amin’ny 100km miala an’i Rip izy.

Miarantsoa