15/08/2018

Misaona ny eo anivon’ny polisim-pirenena : Nodimandry i Anandra Norbert

Nodimandry teo amin’ny faha-56 taonany ny alin’ny alakamisy lasa teo ny Contrôleur Général de la Police Anandra Norbert, minisitry ny Filaminam-bahoaka teo aloha. Araka ny voalaza, dia tao amin’ny hopitaly Hjra Ampefiloha ity tompon’andraiki-panjakana ity no namoy ny ainy noho ny aretina izay efa nahazo azy. Ankoatra ny maha minisitra azy moa, dia efa talem-paritry ny Polisy tany Fianarantsoa ihany koa ny tenany. Nandrasana tao amin’ny “Cercle Mess de la Police Nationale” Antanimora ny vata mangatsiakany omaly, ary hanaovana Sorona Masina eny an-toerana ihany anio sabotsy amin’ny 09 ora maraina alohan’ny hitondrana azy any an-tanindrazany any Ampondralava Ambilobe. Ny eto anivon’ny Gazety Triatra, dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany.

Mialy R.