25/05/2018

Miparitaka ny vola sandoka : Tra-tehaka ny vola mitentina 10 Tapitrisa

Voasambotra ny alatsinainy 7 mey lasa teo ny lehilahy miisa roa fanta-daza amin’ny fanakalozana vola sandoka. Teny Ampefiloha araka izany no nahatratrarana ireo roalahy efa mpanao io asa ratsy io rehefa nanaovana vela-pandrika tamin’ity asa maloto, rehefa naharaisana fampandrenesana avy amin’ny olona sendra ny mpitandro filaminana tao amin’ny polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika fahefatra etsy Anosy. Efa nahazoam-baovao hatrany mantsy ny fa mihamafana sy mahazo vahana hatrany ity resaka fiparitahan’ny vola sandoka ity. Efa ao anatin’ny ezaka tanteraka ny polisy mba handravana sy hikarohana ireo tambazotra mpanao izany. Tamin’izany no nahazoana tatitra fa milaza ho manana vola sandoka mitentina 60 Tapitrisa ralehilahy, ka eny an-toerana no hitadiavany mpanakalo izany, izay hatakalony dimy arivo Ariary ny vola sandoka iray alina Ariary raha ny loharanom-baovao. Nanaovana vela-pandrika noho izany izy ka nomena fotoana mihitsy hanatrarana azy sy ny namany iray petsapetsa aminy, ny alatsinainy lasa teo ihany. Izay ny polisy kosa nanaraka mora ny paikady efa voahomana hisamborana azy roalahy tamin’ny fotoana nifanaovana. Tamin’izany no nisamborana azy ireo avy hatrany, ka tratra tamin’ny fisavana avokoa ny vola sandoka mitentina 10 tapitrisa Ariary tao anaty kitapo niaraka tamin’ny finday. Mbola sarona teny amin’ny iray tamin’ireo ihany koa ny karatra sandoka milaza azy ho mpiandry fonja, izay voamarina fa misandoka io andraikitra io ity farany entina hanatanterahany ny asa ratsiny. Tamin’ny fanadihadiana ihany no nilazan’izy ireo fa misy teratany karana iray ao ambadik’io fanaovana vola sandoka io, izay mbola eo am-panaovana ny fikarohana ny mpitandro filaminana araka ny tatitra hatrany.

Valérie R.