21/01/2018

Minisitra Henry Rabary-Njaka : Hitarika ny fivorian’ireo minisitra Frankôfônina

Mazava. Mandray anjara amin’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana andiany faha-72, any New-York, Etazonia, ny delegasiona malagasy tarihin’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, ahitana ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Henry Rabary-Njaka.

Mialoha izany anefa, hitarika ny fivorian’ireo minisitry ny Raharaham-bahiny sy governemanta Frankôfônina ny minisitra Henry Rabary-Njaka amin’ny maha filohan’ny kaonferansan’ny minisitra ny tenany, izay hiarahany amin’ny sekretera jeneralin’ny Frankôfônia, Michaelle Jean.

Araka izany, raha ny fanazavana, hifototra tanteraka amin’ny resaka fandriam-pahalemana sy ny fampandrosoana ny tontolo Frankôfônina ny fihaonana. Mifandraika tsara amin’ny Fanavaozana ny drafi-pirenena momba ny fandriam-pahalemana, na ny RSS, izay vao natolotra ny Filohan’ny Repoblika, ny 12 septambra teo. Ankoatra izay, fotoana ho an’ny minisitra Henry Rabary-Njaka ihany koa io fihaonambe io, ahafahany mamelabelatra manoloana ireo minisitry ny Raharaham-bahiny Frankôfônina ny ezaka vitan’ny governemanta malagasy amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana sy ny fampandrosoana an’i Madagasikara amin’ny ankapobeny, ary koa ny fifandraisana amin’ireo firenena vahiny, sns.

Etsy andaniny, anisan’ireo mandray anjara amin’ireo hetsika rehetra manodidina io fihaonambe ara-diplaomatika any New-York io ihany koa ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, toa ny fifanaovan-tsonian’ny Fifanekena mikasika ny fandrarana ny fampiasana ny fitaovam-piadiana nokleary, ny fakan-kevitra mikasika ny isan’ny mponina ary indrindra, ny fihaonambe momba ny fifanarahana maneran-tany mikasika ny tontolo iainana, sns.

Ankoatra izay, hitarika fifanakalozan-kevitra sy adihevitra ankapobeny mandritra io Fivoriamben’ny Firenena Mikambana andiany faha-72 io i Madagasikara amin’ny maha Filoha lefitry ny Firenena Mikambana azy. Marihina fa mitondra ny lohahevitra “Laharam-pahamehana ny maha olona: Hiady ho amin’ny fandriam-pahalemana sy ny fiainana mendrika ho an’ny rehetra mba ho an’ny planeta voatahiry”, ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana andiany faha-72.

 

MN