23/06/2018

Minisitra Andriantiana Ulrich : “Tsy maintsy atao izay hahavitana ny lalana Ambilobe-Vohemar”

“Tsy maintsy atao izay hahavitana ny lalana Ambilobe-Vohemar”, io no nisongadina tamin’ny fandraisam-pitenenana nataon’ny minisitry ny Asa vaventy, Andriantiana Ulrich omaly, nandritra ny fandraisana ny fitantanana ity minisitera ity. Hitohizana avokoa ny asa rehetra nataon’ny minisitra teo aloha Razafimandimby Eric, hoy izy. Ao anatin’izany ny mikasika « voie rapide” mampitohy ny seranan-tsambon’i Toamasina amin’ny lalam-pirenena Rn2, ary tsy azo hadinoina ny lalana Tsarasaotra mampitohy an’Ivato, satria tetikasa tafiditra miaraka amin’ny seranam-piaramanidina. Eo koa ny lalana digue mampitohy Andohatapenaka sy Ambohitrimanjaka hatrany Mahitsy. Notsindriany manokana ihany koa ny mikasika ny fifamoivoizana eto Antananarivo, izay nambarany fa atao asa lehibe dieny izao. “Miaraka amin’ny injenieran’ ny asa vaventy dia hojerena ireny lavaka kely mampiteraka fitohanana ireny. Ary ezahina tsy ho hisy lavaka hanembatsembana ny fifamoivoizana intsony”, hoy ny minisitra. Mbola nitohizany manao hoe, “ Ny lalam-pirenena Rn13, Rn44, Rn5a, Rn6 efa tetikasa mandeha. Atao ny hanaovana azy haingana indrindra, satria mitady zavatra mivaingana ny vahoaka nefa ao anatin’ny fotoana fohy, izay 6 hatramin’ny 7 volana. Ny zava-dehibe amin’izao governemanta izao ny fikarakarana ny fifidianana.” Notanterahina omaly teny amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitra Razafimandimby Eric sy ny minisitra Andriantiana Ulrich. “Hiroso hatrany ny asa ato amin’ny minisiteran’ny asa vaventy, ny asa goavana natombokay dia hotohizan’ny minisitra vaovao, ka ny goavana amin’izany ny mampitohy an’Ambilobe sy Vohemar”, hoy kosa indray ny minisitra teo aloha.

Laurena Nany