14/08/2018

Migadra i Claudine : Foana ve ny Kolikoly?

Iny efa nigadra iny i Razaimamonjy Claudine ary samy mahalala ny rehetra fa ao Manjakandriana no iandrasany ny fotoam-pitsarana, ny fanontaniana mipetraka taorian’izay dia ny  hoe foana ve ny kolikoly eo anivon’ny Fitsarana? Ary foana  ihany koa  ve ny fitsaram-bahoaka ?. Tsy izay  ihany fa anisan’ny nagatahin’ny sendikà  nandritra ny hetsika fanairana ny faha- 9 ny volana jona lasa teo ny fangatahana ny  fametrahana ny hasin’ny fitsarana, mbola miverina mipetraka ihany ny fanontaniana eto hoe tena tafaverina amin’ny laoniny ve io hasin’ny fitsarana izay nimatimatesan’izy ireo ?satria tokoa efa any amponja ilay anton’ny fangatahana ny famerenana io hasina io. Fa manoloana indrindra ity resaka kolikoly ity izay mampananontany tena ihany hoe  » Iza  no tena mampisy ny kolikoly eo anivon’ny Fitsarana ? » Ny valiny : Ny mpitsara. Izany valim-panontaniana rehetra  mila valiny izany sy ny tranga  misy ankehitriny  dia toa vao maika aza, mampitombo  ny ahiahian’ny vahoaka. Ny zava misy aza izao manoloana ity resaka sendikà ity dia fantatra iny fa lasa any ampitan-dranomasina mitety an’i Frantsa, Italie, Geneve ny mpikambana eo anivon’ny SMM, tarihin’ny filohany Faniry Ernaivo. Tsy izy tenany ihany no lasa any fa misy mpikambana eo anivon’ny sendik à  miisa efatra ihany koa .

Iza daholo no miantoka ny fandaniana rehetra ataon’izy ireo any?. Iza no miantoka ny tapakilan’ny fiaramanidina  “billet d’avion” sy ny trano fandraisam-bahiny hitoeran’izy ireo?.  Raha ho an’olona miisa dimy izany, dia misimisy ihany, satria ny olona iray izao mandany eo amin’ny “8 tapitrisa Ariary » eo ao anatin’ny herinandro ka raha olona miisa 5 izany dia eo amin’ny “40 tapitrisa Ariary” eo . lasa ny saina hoe  iza no miantoka ny fivezivezen’izy ireo any an-dafy ( ny indemnité, ny sakafo sns…) tsy adino ihany koa fa vehivavy ny mpitarika ny delegasiona ka tsy maintsy hisy ny fitetezana tsena ary miakatra indray izany io sanda izay novinavinaina io.

Fahaleovantena

Mbola anatin’ny fitakian’ny mpitsara ihany koa ny fahaleovantenan’ny fitsarana, na dia efa hita soritra mazava aza izany. Ny CSM na ny filankevitra ambonin’ny mpitsara izay efa mipetraka anie no miantoka izany fahaleovantenan’ny mpitsara izany e. Io no manapa-kevitra momba ny asan’ny mpitsara tsirairay.Mpitsara avokoa no mpikambana  ao anatiny ar y masi- mandidy raha solontena roa monja no avy amin’ny sehatr’asa hafa dia ny solontenan’ny filoham-pirenena sy ny avy amin’ny ministera.  Eto isika dia somary hisintona ohatra sy lesona kely amin’ny tantara, raharaham-pitsarana roa monja no angalana ny lesona. Samy mahatadidy angamba ny rehetra tamin’ ilay lozam-pifamoivozana nitranga tetsy alarobia ny 21-n’ ny volana izay namoizana ain’olona miisa 2. Ny didy izay navoakan’ny fampanoavana anefa dia ny fahazoan’ilay nahavanon-doza fahafahana vonjy maika. Tantara faharoa nokirakirain’ny  teo anivon’ny fitsarana ihany ny  raharaha Ihary Rapanoelina izay mpikirakira takelaka  iray eo anivon’ny tambazotra “facebook” izy izay tsy nanatanteraka ilay fandikan-dalàna akory fa mpitantana fotsiny ihany , didim-pitsarana herintaona an-tranomaizina didy mihatra. Izany io fahaleovantena  ny fitsarana io, hanome no hanomezana azy ireo tokoa io fitakiana io nefa ny zavatra hita ambanin’ny maso aza manahirana. Raha ireo tantara roa ireo fotsiny no hampitahaina dia tsy azo lavina velively ny kolikoly ataon’ireo mpitsara. Izany hoe aorian’ny fahazoan’izy ireo  io fahaleovantena io izany, ka na olona nanitsaka tongotra mpitsara na nanao azafady aza mety hiditra am-ponja.

 

Iratra Raitra