25/09/2017

Mialohan’ ny hiampitana ranomasina : Sehon’i Joseph d’Af farany eto an-drenivohitra amin’ity taona ity

Mialoha ny hiatrehana fitetezam-paritra any Eoraopa. Hanolotra seho farany eto an-drenivohitra ho an’ireo mpankafy azy i Joseph d’Af, ary manome fotoana azy ireo ny alahady 16 septambra izao manomboka amin’ny 3 ora tolakandro etsy Antsahamanitra. Fotoana hitondran’ity mpanakanto ity ireo hira fiderana amin’ny karazana gadona maro. Nahafantarana azy rahateo tao anatin’izay dimy taona izay ny fitondrana « Fiderana ao anatin’ny hafaliana ». Maro amin’ireo hiran’ity mpanakanto lehibe tany Antsiranana, ary nandrombaka ny fandresena tamin’ny fifaninanan-kira tamin’ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena ny taona 2012 ity no hiangaliany amin’ny gadona mihetsika. Tsy diso anjara ihany koa anefa ireo hira somary milamindamina. Ezahiny ko kaloina mandritra io seho io  ireo hira rehetra nahafantarana azy raha tsy hitanisa afa-tsy ny « Mpanjakan’ny mpanjaka », « Novonjenao », « Rahoviana », « Tsisy ka raha anao »…

Ity no fampisehoana farany ataony eto Antananarivo mialohan’ny hikopahany elatra, ka hitondra indray ireo hira fiderana ireo, hitety faritra maro any Eoraopa, manomboka ny 24 desambra ka hatramin’ny 07 janoary 2018. Etsy ankilan’izay anefa dia mbola mitohy ny fanomezana fahafaham-po ireo mpankafy eto an-toerana, ka taorian’ny fitetezam-paritra tany amin’ny tapany avaratry ny Nosy, dia mbola maromaro ireo fampisehoana amin’ny faritra hafa ao anatin’ny fandaharam-potoanan’i Joseph d’Af sy ny ekipany.

 

Miarantsoa