21/10/2018

Maurice Tsihiavonana : Nisy nanafika tao an-tranony

Naverina matetika teto amin’ity gazety ity ny fanontaniana manao hoe: “inona no famaritan’ny sasany ny antsoina hoe demôkrasia sy ny fahalalahana maneho hevitra?”. Rehefa dinihina sy fakafakaina lalina tokoa mantsy ny zava-misy tato ho ato dia fampihorohoroana amin’ny alalan’ny fanambarana etsy amin’ny lapan’ny tanàna no antsoina hoe demôkrasia, na koa amin’ny alalan’ireny tambazotra ireny, ary isan’ny nahazo izany fandrahonana sy fampihorohoroana tamin’ny alalan’ny facebook izany ny mpanao gazety Maurice Tsihiavonana, talen’ny famoahana sady mpanao ny fandaharana “On Air Magazine”, izay vao avy nanao fandaharana manokana mikasika ny famotsiam-bola sy ny kolikoly navoakan’ny gazety frantsay momba an’i Mamy Ravatomanga.

Nisy nanafika tao an-tranony tokoa mantsy ny mpanao gazety Maurice Tsihiavonana ny sabotsy alina hifoha alahady lasa teo. Andian’olona maromaro izy ireo araka ny vaovao azo no nanao izao fanafihana izao. Tafiditra tao amin’ny “salon”-n’ny tranon’i Maurice Tsihiavonana, ary avy hatrany dia novonoin’ireto andian’olona ireto ny mpamily izay natory tao amin’ny “salon”. Maty tsy tra-drano moa ity mpamily ity vokatry ny hamafin’ny vono nahazo azy.

Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ankehitriny, ary antenaina fa tsy maintsy hisy vokany. Ny zavatra tiana ambara anefa dia izao, tsy amin’ny alalan’ny herisetra na fandrahonana sy fampihorohoroana velively no hampihemotra ny groupe RLM tsy hanohana ny safidim-bahoaka, dia ny filoha Hery Rajaonarimampianina, izay lany tamin’ny alalan’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2014.

Henatra ho an’ny firenena rahateo koa raha solombavambahoaka tokony handàla ny fahalalahana maneho hevitra sy ny demôkrasia no lasa mpampihorohoro amin’ny alalan’ny fanambarana an-dalambe tahaka ny faheno etsy amin’ny lapan’ny tanàna. Ny depiote Hanitra Razafimanantsoa aza moa nilaza hoe: «aza mamaky ny gazety La Ligne de Mire sy Triatra ary La Dépêche…». Izany ve no demôkrasia sy fahalalahana maneho hevitra?