21/07/2018

Maurice Tsihiavonana : Nalevina ny zoma teo tany Ambohidahy Manjakandriana

Nahavita be teo amin’ny tontolon’ny serasera. Tontosa ny zoma lasa teo tany Ambohidahy Manjakandriana ny fandevenana ny nofo mangatsikan’i Maurice Tsihiavonana, mpanao gazety sy mpanao famakafakana ara-politika. Mialoha ny niaingany tetsy amin’ny trano fonenena, tetsy Ambatobe Andrefana, dia notolorana ny mari-boninahitra « Chevalier de l’Ordre National » i Maurice Tsihiavonana, noho ny zava-bitany. Nisy ny fotoam-pivavahana tao amin’ny fiangonana FJKM Ambohidahy Fitiavana Manjakandriana mialoha ny nanitrihina ny razana. Nanatitra azy tany am-pasan-drazany ary nanotrona ny fianakaviana ny ekipan’ny RLM Communication, toeram-piasany farany.

Miarantsoa