14/08/2018

Maurice Tsiavonana : Nitondra fanazavana mahakasika ny fanaratsiana azy

Nitondra fanazavana mahakasika ny fanasoketana azy tany anaty tambazotran-tserasera sy tany anaty gazety mpivoaka isan’andro ary haino aman-jery sasantsasany Maurice Tsiavonana omaly tolakandro teny amin’ny trano fonenany teny Ambatobe. Nanambara ity mpanao gazety ity fa tsy marina ny filazana fa nikasa hitsoaka any ivelany ny tenany, taorian’ny fitoriana azy momba ilay raharaha nahafatesana ilay saoferany ny 12 mey lasa teo. Nodisoany ihany koa ny feo naely fa tsy namaly ny fiantsoan’ny mpitandro filaminana ny tenany. “Ninia tsy niteny aho nandritra ny fotoana nisehoan’ilay zavatra, satria mbola nanao ny fanadihadiana ireo zandary. Ny zoma farany teo tamin’ny 02 ora ka hatramin’ny 05 ora sy sasany hariva aho no nampanantsoina hametraka ny fanazavana teny amin’ny biraon’izy ireo”, hoy ny voalazany. Mbola nambaran’ i Maurice Tsiavonana ihany koa fa nampalahelo azy sy ny fianakaviany ny fihetsiky ny zanaky ny maty, izay nanitrikitrika hatramin’ny farany fa novonoin’ity mpanao gazety ity sy ny vady aman-janany ny rain’izy ireo. “Tsy fantatr’izy ireo ny fifandraisako sy nataoko tamin’ny dadany. Efa 30 taona no naha mpinamana anay ary ohatra ny fianakavianay mihitsy io rangahy io. Niezaka nanampy azy foana aho amin’ny maha-namako azy”, hoy ihany ny fanampim-panazavany. Raha tsiahivina moa, dia ny marainan’ny 12 mey lasa teo no maty nisy namono tao amin’ny tranon’ity tompon’andraikitra ity eny Ambatobe io niharan-doza io rehefa nangataka ny hijanona hatory tao aminy. Ankoatra ny famoizan’aina, dia entana maro ihany koa no noraofin’ireo olon-dratsy tao an-toerana. Nilaza ny tsy hametraka fitoriana mahakasika ity tranga ity moa i Maurice Tsiavonana sy ny vadiny, fa kosa mikatsaka ny hahitana ny marina rehetra ao ambadik’izany. Raha ny fantatra ihany koa, dia hiakatra fitsarana tsy ho ela ny raharaha.

Mialy R.