21/10/2018

Masoivohon’ny OIF, Hervé Ladsous : Vonona hanampy an’i Madagasikara amin’ny fifidianana

Noraisin’ny Filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny masoivohon’ny OIF, Hervé Ladsous, ny 23 jolay lasa teo. Nandritra ny fihaonan’ny roa tonta, dia nanasongadina ny fitarihan’i Madagasikara ny fitantanana ny Frankofonia nandritra izay roa taona izay, fotoana izay nankatoavana ny sata mifehy ny fandaminana an’Antananarivo.

Nomarihan’ny masoivohon’ny OIF, Hervé Ladsous tamin’ny Filoham-pirenena Rajaonarimampianina ihany koa ny zavatra azon’ny OIF atao sy hanampiana an’i Madagasikara amin’ny fikarakarana ny fifidianana. « Efa maro ny hetsika nataonay, indrindra teo amin’ny lisi-pifidianana sy ireo asa hafa mbola eo am-panatanterahana. Ny OIF dia vonona hanampy an’i Madagasikara mba hampizotra tsara ny fifidianana », hoy hatrany, Hervé Ladsous, masoivohon’ny OIF.

L.N