19/12/2018

Marovoay : Ankizilahy 14 taona nisy naka an-keriny

Mbola tsy tafaverina eo anatrehan’ny fianakaviany. Dimy Tapitrisa Ariary, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena any amin’ny vondron-tobim-paritra any Mahajanga, fa takian’ireo dahalo amin’ny fianakavian’ny ankizilahikely 14 taona iray, voalaza fa zanaka tantsaha sady tompon’omby, nalaina an-keriny tany Marovoay. Tsiahivina fa ny alatsinainy lasa teo no nitrangan’izany. Araka ny fanazavana nentin’ny zandarimariam-pirenena, dia tamin’ny alalan’ny antso an-tariby nataon’ireo dahalo nitazona azy no nahafantarana ny trangana fakana an-keriny. Fantatra nandritra izany fa dahalo nitam-piadiana mahery vaika dimy lahy no mitazona azy ity.

Teny an-dalana hody ny tenany no nalain’ireo olon-dratsy an-keriny. Tombanana ho efa narahin’ireo olon-dratsy izy izao lasibatry ny fakana an-keriny izao. Herinandro taty aoriana, dia mbola fifandraisana an-tariby no nifanaovan’ny fianakaviana sy ireo dahalo, mahakasika ny vola an-tapitrisany takian’izy ireo. Etsy andanin’izay anefa dia efa manao ny asany ny zandarimariam-pirenena amin’ny fikaroham-baovao momba ity fakana an-keriny ity.
Mirongatra izay tsy izy ny fakana an-keriny tahaka ity tao anatin’ny volana maro. Tsy misy fitsaharana ihany koa ny fakana an-keriny teratany Indianina eto an-drenivohitra. Tsy ny teratany Indianiana ihany izany no iharan’izany fa ny Malagasy ihany koa. Mitaraina momba izany ireo mponina noho izy ity efa tena nihanahazo vahana, ary efa namoizana aina mihitsy, raha tsy misy ny takalon’aina, volabe hatrany anefa no tambin’ny famotsorana.

Valérie R.