22/05/2018

Marc Ravalomanana-Andry Rajoelina : Hifandamina momba ny 7 Febroary sy 26 Janoary

Nanao fanambarana ny filohan’ny antoko TIM, Marc Ravalomanana, ny faha-9 Janoary lasa teo fa vonona hifampiraharaha amin’i Andry Rajoelina ny tenany satria samy “businessman” izy roalahy. Marihina moa fa maherin’ny 500 ny aina nafoy nandritra ny 26 Janoary 2009, an-jatony ihany koa ireo namoy ny ainy sy nitondra takaitra mandra-pahafatiny ny 7 Febroary 2009.
Fanaovana tsinontsinona
Sivy taona aty aoriana, tapa-kevitra ny hifandamina i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina fototry ny krizy 2009, nampandriaka ny rà nanerana ny Nosy. Nasehon’ny filohan’ny antoko TIM nandritra ny kabary nataony fa tsy miraharaha izay didim-pitsarana manameloka azy izany izy na dia vao avy nohamafisin’ny Fitsarana aza ny fampiharana ny didim-pitsarana manery azy, ary ireo mpiara-dia taminy hanefa ny onitra nangatahan’ireo mpikambana ao amin’ny AV7. Nisongadina nandritra io lahateny nataony io ihany koa fa azo anaovana “biznesy” tsara mihitsy ny fiainam-pirenena sy ny aim-bahoaka, ary tsy misy olana velively ny fanaovana izany. Indro averina ny kabary nataony navoakan’ny gazety RFI: “Si Rajoelina venait me voir et faisait un accord avec moi, je suis prêt, pas de problème, je le connais depuis longtemps. Il est businessman aussi ». Miendrika fanaovana tsinontsinona ireo namoy ny ainy tsotra izao ny fihetsik’i Marc Ravalomanana, ary matoa namoaka iny fanambarana iny ny tenany dia efa miray feo aminy koa i Andry Rajoelina.
Tsimatimanota
Lasa saina ihany ny vahoaka madinika eo anatrehan’ny fanambarana nataon’i Marc Ravalomanana, ary mametra-panontaniana hoe « aiza ny Fianakaviamben’ny Mpitsara sy ny SMM eo anatrehan’izao trangan-javatra izao?». Fa ny tena loza dia ny hoe « miray feo amin’i Marc Ravalomanana amin’ireny fanambarana nataony ireny ve ireo mpanao politika ao amin’ny TIM kanefa mba misy olona heverina ho manam-panahy ihany ? ». Indro ny kabary nataon’i Marc Ravalomanana araka ny nitateran’ny gazety RFI azy : «Vous savez bien qu’en politique, il ne faut pas accepter toutes les condamnations, les accusation ». “Tsimatimanota” ve izany no dikan’ny atao hoe mpanao politika ho an’i Marc Ravalomanana sy ny antoko TIM ka tsy olana mihitsy izany mamono olona sy mitifitra olona, alamina amin’ny alalan’ny « bizna » dia vita!
AVI
Toa manamafy io fifampidinihana sy fifampiraharahana eo amin’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana io ny vaovao nivoaka tany amin’ireny tambazotra ireny izay nanambara fa nihaona nandritra n y ora iray tao Faravohitra i Marc Ravalomanana sy Norbert Lala Ratsirahonana izay iaraha-mahalala fa mpanolotsaina manokan’i Andry Rajoelina, isan’ny tompon’ny teny farany nandritra ny fitondrana HAT, nanome baiko tamin’ny fanomezana ireny NOTAM ho an’i Marc Ravalomanana ireny sy ny fisamborana ireo « zanak’i dada » teny amin’ny MAGRO. Nitondra ny « AVI » an’i Andry Rajoelina momba ilay « biznesy » eo aminy sy Marc Ravalomanana no fiheveran’ny mpanara-baovao izany.