12/12/2017

Marary ny fitsarana : Miantso fivoriam-be ny holafitry ny mpisolo vava

Vakivava ny amin’ny fifampitsabahana andraikitra ireo  mpisolovava raha mandinika  ny raharaha misy eo anivon’ny fitsarana. Raha fehezina ny fanazavana noentin’ny  bâtonnier Raharison Hubert omaly, dia samy nanao izay tiany atao sady  baranahana ny fomba fiasa eo anivon’ny fitsarana. “Marary ny Fitsarana”, hoy izy,ka mila fivoriam-be hitadiavana vahaolana haingana. Ny antony dia ny fahitan’izy ireo ny fifampitsabahana andraikitra miharihary loatra, ka nahatonga  azy ireo hampaneno lakolosy mihitsy . Mazava ny rafitra napetraka hoy ny holafitry ny mpisolo vava eo anivon’ ny fitsarana malagasy, fa ny sampan-draharaha misahana ny fitsarana na ny ‘’direction des affaires judiciaires’’ sy ny ‘’direction de l’integrité’’ no manara- maso sy manaraka ny raharaha iray notsaraina. Izy ireo izay mandray ny fepetra rehetra mifanaraka amin’izany raha toa misy ny fihoaram-pefy  na koa fandikana ny lalàna mifehy ny rafitry ny fitsarana. Noho izany dia tokony hijanona amin’ny asa nampiandraiketina azy ny mpiasa tsirairay eo anivon’ny fitsarana.

Momba ny raharaha Razaimamonjy Claudine kosa indray manoloana io fifampitsabahana andraikitra io ihany, dia mazava ny hevitry ny holafitry ny mpisolo vava. Raha toa nivoaka ny didy hampidirana olona iray am-ponja ka misy ny aretina mahazo ilay voafonja, dia mandray ny andraikitra mifanadrify aminy ny fitsarana. Ny mpitsabo ihany koa torak’izany, ary miara miasa akaiky amin’izy ireo amin’izany ny fampanoavana. Noho izany, rehefa misy ny andraikitry ny mpitsabo amin’ny fitsaboana dia malalaka izy ireo amin’izany ka tsy tokony hidiran’iza na iza. Torak’izany ihany koa ny fandefasana voafonja marary mandeha mitsabo tena any ivelany. “Ny mpitsabo irery ihany no afaka manamarina ny olona iray na marary izy na tsia”, hoy ny fanazavana.

Nanamafy ny holafitra fa  tahaka ny dosie kirakiraina isan-taona eo anivon’ny tribonaly   ny raharaha Razaimamonjy Claudine  satria tsy vao izao no nisy  olona namoahana didy ka nampidirina am-ponja vonjimaika nefa narary ka mila fitsaboana. Tany tan-dalàna i Madagasikara ary efa misy ny lalàna mazava mamaritra ny fepetra rehetra arahina mikasika ny zava- misy sy mitranga rehetra raha fitsarana no resahina .’’ Nandritra ny tetezamita firifiry ireo mpitondra fanjakana sy olobe teto amin’ny firenena no namoahana didy nefa tsy nampiharina akory. Tahaka an-dRavalomanana Marc voaheloka higadra asa an- terivozona mandram-pahafaty noho ny raharaha 2009, torak’izany ihany koa ny amiraly Ratsiraka noho ny raharaha 1991 nefa aiza izao  ny fampiharana ny didy?” hoy ny bâtonnier.’Tahaka izany ihany koa ny nadefasan’ny fitondrana tetezamita manamboninahitra iray tany ivelany nitsabo tena (Kolonely Charles)  nefa efa tany am-ponja’’. Noho izany, fanahy iniana atao resabe ny raharaha Razaimamonjy Claudine hoy hatrany ny batonnier Raharison Huber . Tsy any amin’ny fampiharana didim-pitsarana no olan’ny Fitsarana amin’izao, fa ny resaka fitsaram-bahoaka sy ny famerenana ny fatokisan’ny vahoaka ny rafi-pitsarana.  Eo anatrehan’izany dia hikarakara valan-dresaka arahina ady hevitra izy ireo hijerena ny fanarenana tokony hatao .

Iratra raitra