23/09/2018

Maorisy : Vehivavy gasy nahatrarana héroïne 259,5g

Tsy mitsahatra handrenesam-peo ny fahatrarana teratany malagasy manondrana zava-mahadomelina mahery vaika atsy amin’ny nosy rahavavy Maorisy. Vehivavy iray, 36 taona indray mantsy no tra-tehaka niaraka tamin’ny “héroïne” milanja 259,5 grama tao amin’ny seranam-piaramanidina any Plaisance ny alatsinainy 26 febroary lasa teo. Tombanana ho Rs 3.885.750 no vidin’io zava-mahadomelina mahery vaika io rehefa natao ny kajikajy. Araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny lexpress.mu, dia teo am-pidinana io fitaovam-pitaterana an’habakabaka nandehanany io ity vehivavy gasy ity no tsikaritr’ireo tompon’andraikitra tany an-toerana ho hafahafa. Tsy nisalasala fa niroso avy hatrany tamin’ny fanakanana sy ny fisavana ny entan’ity mpandeha nampiahiahy ity ny teo anivon’ny borigady misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina ao amin’ity seranam-piaramanidina ity taorian’izay. Tsy nahita na inona na inona anefa tao anatin’izany, ka tsy maintsy niroso tamin’ny fisavana ny vatan’ity Malagasy ity indray ireo mpitandro filaminana. Tamin’izany no nahatraran’ireto farany, ireo “héroïne” izay natao tanaty fimailo, ary nafenina tany amin’ny maha vehivavy azy avy eo. Notanana nanaovana fanadihadiana avy hatrany moa io teratany malagasy io, ka nandritra izany fakana am-bavany izany no nilazany fa hiala sasatra no anton-diany tany an-toerana, izy sarona nitondra zava-mahadomelina mahery vaika izao. Nolazainy ihany koa fa nikasa hivantana tao amin’ny trano iray tany Trou-d”Eau-Douce izy, ka nandray fepetra tamin’ny alalan’ny fanaraha-maso ireo olona nifandray taminy tany an-toerana ireo tompon’andraikitra saingy tsy nahitana mangirana izany. Tsy mijanona hatreo ny famotorana mikasika ity raharaha ity, mandra-pahitana ny marina rehetra mahakasika izany, sy ny olona mety handray ny entana.

Mialy R.