23/09/2018

Manarintsoa Afovoany : Trano miisa 31 may kila forehitra

Nisehoana hain-trano goavana indray teny Manarintsoa afovoany omaly tokony ho tamin’ny 01 ora maraina ka trano miisa 31 no indray lasibatry ny afo tamin’izany, raha toa ka olona manodidina ny 180 no tsy manan-kialofana. Araka ny loharanom-baovao dia tsy voafaritra mazava izay nahatonga ny loza, saingy raha ny filazan’ireo mponina teny an-toerana dia teo amina tokantrano iray no niaingan’ny afo ka izay no nihanaka vetivety ary nandoroana ireo trano hazo miisa 26 sy trano biriky miisa 05. Samy mbola sondrian-tory avokoa moa ny ankabeazan’ireo olona tao amin’ity toerana niharan-doza ity ka tsy nisy nahatsikaritra ny niandohan’ny firehetana raha tsy efa nidedadeda ny afo. Na dia teo aza anefa ny hamafin’ny loza izay tena tampoka tamin’ireo mponina, dia tsy nisy ny aina nafoy saingy olona roa kosa no naratra, ary tsy nisy noraisina avokoa ny vola sy ny entana rehetra tao anatin’ireo trano niharan-doza ireo. “Mbola tao anatin’ny torimaso tanteraka izahay no naheno olona nikotaba, ka rehefa nitsangana nijery ny zava-niseho, dia afo efa nidedaka no novantaniny ka teo vao nikoropaka. Ny vonjy aina ireo ankizy no natao voalohany ka tsy nanam-potoana namoahana ireo entana tao an-trano intsony”,hoy ny fitantaran’ny renim-pianakaviana iray isan’ny niharam-boina. Nisy tamin’ireo tompon’andraiki-panjakana moa no nidina avy hatrany teny an-toerana vantany vao naheno ny zava-nisy nitondra ny anjara birikiny ho fanampiana ireo traboina. Raha ny fantatra ihany koa, dia efa misy ny toerana vonjimaika handraisana ireo tsy manan-kialofana mandra-pahitana vahaolana maharitra ho azy ireo. Fanindroany tamin’ny hain-trano niseho teny an-toerana izany ity nitranga omaly ity, raha toa ka teny Manarintsoa atsinanana ny tranga voalohany.

Mialy R.