16/11/2018

Mananjary : Lehilahy iray niharan’ny fitsaram-bahoaka

Manoloana ilay hain-trano goavana niseho tao amin’ny fokontany Masindrano sy Ankadirano, kaomina Mananjary ny alin’ ny alahady lasa teo. Lehilahy iray no fantatra fa niharan’ny fitsaram-bahoaka sy niteraka savorovoro tany an-toerana taorian’io. Fokontany roa no indray ravan’ny afo tamin’izany, ary trano manodidina 385 no lasa lavenona vokatr’izany. Tamin’io fotoana io no efa fantatra fa avy amin’ny tranona mpivady no niaingan’ny afo, ary avy dia nitsoaka ny tompon-trano noho ny tahotry ny iharan’ny fitsaram-bahoaka. Tsy izany anefa no nitranga fa nisy ity lehilahy nampiahiahy iray ity hitan’ny manodidina nihaodihaody teny an-toerana. Efa tezitra ny vahoaka raha ny loharanom-baovao, ka nosavaina avy hatrany ilay lehilahy. Tamin’izany indrindra ity farany no nahatrarana fitaovana fandrehetana, ka nosavoritahan’ny fokonolona avy hatrany. Niharan’ny daroka, ary saika maty mihitsy ity farany raha tsy nalaky tonga ny polisy. Nentina natao fanadihadiana izy taorian’izay, ary dia notazonina am-ponja vonjimaika. Omaly, no tonga nirohotra teny amin’ ny biraon’ny polisy indray ireo fokonolona tsaboina ireo, ka raikitra ny savorovoro. Izany moa dia mbola fitakiana ny hamoahana ity lehilahy ity, hanaovana fitsaram-bahoaka. Nohamarinin’ny mpitandro filaminana kosa anefa, fa mbola tsy voaporofo ho nanao ny fandoroana ity lehilahy voatazona ity. Mitohy ny fanadihadiana, ary mbola karohina ireo mpivady mpivarotra nipetraka tamin’ny trano hazo nahatonga ny loza. Amin’izao fotoana hanoratanay izao, dia efa nilamina tanteraka ny savorovoro any an-toerana.

Valérie R.