22/09/2018

Mananara Avaratra : Olona maro nararin’ny fihinanana trozona

Nahitana fatina trozona tany amin’ny toeram-pitsangatsanganana iray antsoina hoe Ambitsika. Ny marainan’ny alatsinainy lasa teo no nahitana izany, teny amin’ny sisin-dranomasina tany Mananara Avaratra, faritra Analanjirofo. Raha ny loharanom-baovao dia fantatra fa ny andron’io ihany dia namoaka fofona ratsy nanempotra ity biby efa maty hita teny amin’ny sisin-dranomasina ity. Vokany araka ny loharanom-baovao, olona maro no lazoin’ny aretin-kibo noho ny fihinanana ny henan’ity trozona efa maty. Nifanjevo mihitsy, araka izany, ireo olona tany an-toerana naka anjara tamin’ny fahitana ity trozona nahavariana ny maro. Tsy nisy nahalala moa ireo olona maro tonga nijery izany, saingy izao vetivety dia niteraka aretina izao. Tamin’io fotoana ihany dia nanatanteraka fanairana tamin’ireo mponina tany Mananara Avaratra ny haino aman-jery, hanajanona ny fihinana io trozona nankarary io, nanolona ny fahamaroan’ny narary tamin’ny fihinanana izany.

Valérie R.