21/09/2018

Mananara Avaratra : Milina mpamokatra herinaratra telo may kila forehitra

Najedaky ny afo ny sabotsy maraina lasa teo, tokony ho tamin’ny 05 ora tany ho any ny milina mpamokatra herinaratra miisa telo, tao amin’ny foibe toeran’ny Jirama ao an-tampon-tanànan’i Mananara Avaratra. Araka ny loharanom-baovao, dia fifampikasohana tariby mitondra herinaratra no niavian’ny loza, ary tao amin’ny efitra nisy ireo milina ireo no nitrangan’ny loza. Vokatr’izany, dia misy fiantraikany ary niteraka fahasarotany eo amin’ny lafin’ny famatsiana herinaratra any an-toerana io famaizana io, ary misy fotoana aza dia tsy maintsy miaina ao anatin’ny delestazy ireo mponina , noho ny tsy fahampian’ny fitaovana . Satria moa mbola tsy manana sampana mpamonjy voina ity distrika ity, dia ireo fokonolona sy ireo mpitandro filaminana ihany no nifarimbona namono ny afo mba tsy hiitaran’izany indray. Na dia teo aza izay fahavoazana goavana izay, dia tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra. Raha ny voalaza ihany koa, dia manana milina mamokatra herinaratra miisa valo ity foibe toeran’ny Jirama any an-toerana ity. Efa tsy miasa intsony anefa ny iray amin’ireo fitaovana ireo raha toa ka izao niharan’ny famaizana izao indray ny telo. Milina miisa efatra noho izany izany sisa no mamatsy herinaratra ireo tokantrano rehetra any an-toerana. Raha afaka namatsy herinaratra nandritra ny 24 ora tamin’ny isan-tokantrano ny Jirama any Mananara Avaratra hatramin’izay, dia nihena ho 12 ora izany, mandra-pahazoana milina sy fitaovana vaovao.

Mialy R.