19/11/2018

Mahitsy : Miparitaka ny vola sandoka

Malaza ho isan’ny toerana hiparitahan’ny vola sandoka eny Mahitsy, distrikan’Ambohidratrimo amin’izao fotoana izao. Noho izay asa ratsy mahazo vahana any an-toerana izay sy ny noho ny fanomezam-baovao voaray, dia nandray ny andraikiny tamin’ny alalan’ny fidinana ifotony sy ny fanaovana sava hao eny amin’ny faritra manodidina rehetra ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Tamin’izany indrindra no nahatraran’izy ireo vola tsy izy iray alina ariary miisa efatra teny an-tsena, teo amin’ny toerana filokan’olona, herinandro lasa izay. Rehefa nandeha ny fanadihadiana, dia rangahy lehibe iray, izay mipetraka tsy lavitr’ilay toerana no notondroin’ireo olona fa nitondra ireo vola sandoka ireo, teo amin’izy ireo. Teo noho eo ihany dia raikitra ny fisamborana io lehilahy io. Rehefa natao ny fisavàna ity mpanamparitaka vola hosoka ity, dia mbola nahatrarana iray alina hafa miisa dimy tany aminy. Niaiky ny heloka vitany ity olon-dratsy ity, saingy tsy nety nilaza na nanoro ny olona mpamatsy azy ireo vola ireo hatramin’ny farany ny tenany, ka mbola mitohy ny fikarohana. Efa natolotra ny fampanoavana moa ny raharaha ary nampidirina am-ponja vonjimaika avy hatrany ity rangahibe ity taorian’izay. Araka ny voalazan’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena anefa, dia fantatra fa nahazo fahafahana vonjimaika indray ny tenany ny alarobia lasa teo. Raha tsiahivina dia efa nisy olona telo hafa voasambotry ny zandary , mahakasika ity asa ratsy ity teny Mahitsy tamin’ny faraparan’ny volana janoary lasa teo.

Mialy R.