21/09/2018

Mahamasina : Drh na minisitera maty voatsindron’antsy

Tompon’andraikitra iray amina minisitera no namoy ny ainy teny amin’ny hopitaly HJRA rehefa voaendaka sy voatsindron’antsy teny Tsimialonjafy Mahamasina ny alin’ny zoma lasa teo. Mbola nanaraka fitsaboana andro vitsy teny an-toerana ity nihan-doza ity, saingy noho ny ratra diso tafahoatra nahazo azy, dia tsy tana intsony ny ainy. Rehefa vita moa ny asa ratsin’ireo mpanendaka izay tsy voafaritra mazava ny isany, dia nitari-dositra nitsoaka ireto farany. Raha ny voalazan’ny teo anivon’ny polisim-pirenena ihany koa dia mbola tsy nisy tratra ireo olon-dratsy nahavanon-doza, saingy efa misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.

Mialy R.