18/10/2018

Mahajanga : Sambo ho any Kaomaoro rendrika

Sambo iray antsoina hoe Sika saika, ho any amin’ny nosy Kaomaoro no rendrika teo amin’ny seranan-tsambo tany Mahajanga ny asabotsy lasa teo tokony tamin’ny 08 ora maraina. Araka ny nambaran’ny teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, dia triatra tampoka teo am-pampidirana ireo entan’ny mpandeha io fitaovam-pitaterana an-dranomasina io, ary noho ny havesaran’izany diso tafahoatra no nahatonga ny loza. Tsy nisy ny aina nafoy saingy nifamonjena kosa ireo entana rehetra izay rendrika niaraka tamin’ity sambo ity. Raha ny voalaza hatrany, dia ny 30 isan-jato no avotry ny zandary sy ny teo anivon’ny APMF tamin’io fotoana io. Nitohy ny alahady maraina ny fitadiavana ireo ambiny ka nisy ampahany tafaverina tamin’ireo tompony.

Mialy R.