25/04/2018

Mahajanga : Ravan’ny polisy ny andiam-behivavy mpanaparitaka vola sandoka

Saron’ny polisy tao anatin’ny trano fisotroan-toaka iray tany Tsaramandroso Mahajanga, ny alahadin’ny paska lasa teo ny andiam-behivavy mpanaparitaka vola sandoka any an-toerana. Araka ny loharanom-baovao, dia nanjifa zava-pisotro toa ny mpividy rehetra ireto farany. Rehefa naloan’izy ireo tamin’ny iray alina Ariary miisa efatra anefa ny vidin’izany, dia tsikaritry ny mpivarotra avy hatrany fa vola sandoka no nomen’ireo vehivavy ireo. Nanamafy ny ahiahian’ireo voasoloky ihany koa ny fahitana ny fihetsik’ireo mpanao ratsy izay nitahiry ireo famerim-bola rehetra, ary namoaka tsy ankiato ireo vola sandoka ireo. Nandray fepetra tamin’ny fampandrenesana ny mpitandro filaminana avy hatrany ireo niharan’ny asa ratsy ka nandeha ny fikarohana ireo andiam-behivavy izay nitari-dositra nitsoaka. Rehefa nandeha anefa ny fanadihadiana, dia nitondra tany amin’ny fahatrarana mpivady izay voaporofo fa isan’ireo mpanaparitaka ireo vola tsy izy. Tamin’ny alalan’ny fakana am-bavany azy roa ireo indray avy eo no nahatrarana roa vavy, izay voalaza fa avy aty Antananarivo, saingy tonga nivahiny tao amin’ity distrika ity. Araka ny famotorana natao, dia fantatra fa izy ireo no mpamatsy ireo vola sandoka ireo any an-toerana, ary rehefa natao ny fisavana trano, dia mbola nahitana vola tsy izy mitentina 1 456 000 Ariary. Omaly moa no natolotra teo anatrehan’ny fampanoavana izy efatra mianadahy ireo, ary nadoboka am-ponja vonjimaika avy hatrany any amin’ny fonjaben’i Marofoto any an-toerana.

Mialy R.