25/04/2018

Mahajanga : Olona 13 nararin’ny fihinanana trondro nisy poizina

Olona miisa 13 no fantatra fa marary mafy, ary naiditra hopitaly vokatry ny fihinanana trondron-dranomasina voalaza fa nisy poizina, omaly tany amin’ny fokontany Antanambao Sotema Mahajanga. Araka ny fampitam-baovao dia voalaza fa minitra vitsy taorian’ny fihinanana ireo trondro novidiana nitoko ireny tany an-toerana ireo fianakaviana iray dia nalemy, nandoa avokoa, ary zaza folo 10 taona no kely indrindra tamin’izany. Ireo efa somary nahazohazo taona sy ireo tena marefo ara-batana araka ny fanazavan’ny mpitsabo tao an-toerana no tena lazoin’ity aretina azo tamin’ny fihinana trondro misy poizina ity. Efa nandray ny andraikiny ihany koa ny minisiteran’ny Jono amin’ny fitsirihana ireo mpivarotra trondro tsy ara-dalàna eny amin’ny faritr’i Mahajanga taorian’izay.

Valérie R.