22/05/2018

Mahajanga : Nahafaty olona indray ny Bajaj

Mateti-pitranga indray tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana izay hamoizana ain’olona foana ao Mahajanga tamin’iny faran’ny taona iny no nankaty. Hita mandrafitra izany sy mahatonga ny loza foana matetika ny tsy fitandremana sy ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpamily amin’ny fitondrana ireny fitaovam-pitaterana ireny, izay miteraka fahafatesana eo amin’ny olona tsy manan-tsiny izany noho ny maratra. Toa ity trangana lozam-pifamoivoizana niseho tany amin’ny fokontany Mangarivotra Mahajanga ity, dia voalaza ihany koa fa vokatry ny tsy fanarahan-dalàna sy torolalana efa napetraka no nitera-doza. Fiara fitateram-bahoaka iray indray no nifanehitra tamin’ny lehilahy iray nitondra bajaj ny harivan’ny sabotsy 10 febroary lasa teo. Mpandeha iray tao anatin’io bajaj io no naratra mafy vokatry ny fifandonanana, raha voalaza fa nitondra olona roa ity fiara kely mpitatitra ity. Araka ny fanazavana azon’ny mpitandro filaminana tany amin’ity mpamily iray niharan-doza ity, dia ananany mihitsy ny fahafahana hizotra mialoha, ka tsy nety nijanona ilay fiara mpitatitra olona, ary nifaoka mafy ny fiara kely nentiny. Nifatratra teny amin’ny sisin-tranon’olona teny amoron-dalana araka izany izy ireo, ka ny olona roa tamin’ireo nipetraka tao afara no naratra mafy, raha nahitana ratra ihany koa ny mpamilin’ny bajaj. Nentina faingana namonjy ny tobim-pahasalamana avy hatrany izy ireo taorian’izay, raha namoy ny ainy teny am-pandehanana kosa ny iray tamin’izy ireo. Araka ny fampitam-baovao moa dia nahazoana tatitra ihany koa fa nitsoaka avy hatrany ilay mpamilin’ny fiara mpitatitra olona io, rehefa tonga teny an-toerana nijery ny zava-nitranga ny zandary taorian’ny loza. Efa eo am-pelatanan’ny polisim-pirenena misahana ny fifamoivoizana amin’izao fotoana izao ny raharaha momba io mpamily nahavanon-doza sy tsy nanara-dalàna io.

Valérie R.