21/10/2018

Maevatanàna : Vato “Agathe” 150 kg tra-tehaka tanaty taksiborosy

Harena an-kibon’ny tany enina gony, milanja 150 kilao no tra-tehaka tany anaty taksiborosy Sprinter iray mampitohy an’i Marovoay sy Antananarivo ny alatsinainy lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina. Araka ny voalaza, dia nandritra ny fisavana nataon’ireo zandary no nahatrarana ireo vato maro be ireo niaraka tamin’ny trondro natao tanaty “jerrican” izay nahitana karazany miisa 16, samy milanja eo amin’ny 20 kilao avy eo. Ankoatra izay, dia mbola nahatrarana hazandrano maromaro toa ny amalona sy makamba niaraka tamin’ireo entana ireo. Rehefa nalaina am-bavany moa ny mpamilin’io fiara io, dia nanoro avy hatrany ny toerana misy ireo tompon’entana izay nandefasana taratasy fampiantsoana avy hatrany. Nogiazana ihany koa ireo harem-pirenena sy ireo hazandrano, ary efa natolotra ny minisitera tompon’andraikitra.

Mialy R.