18/02/2018

Madagasikara – Swaziland : Hihamafy ny fifandraisan’ny firenena roa tonta

Nigadona teto Madagasikara, ny alatsinainy 17 jolay teo, ny Mpanjakavavin’i Swaziland, Ntombi Thwala, sy ny zanany lahy, S A Mavela, ary ny delegasiona mafonja ahitana vehivavy maro. Rehefa avy noraisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny ity Renin’i Swaziland ity, ny andron’ny nahatongavany teto Madagasikara, noraisin’ny Filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, indray ity Mpanjakavavy ity, omaly.

Tamin’izany indrindra no niresahan’ny roa tonta ny fifandraisan’i Madagasikara sy Swaziland. Voaresaka àry fa hihamafy sy hohamafisina hatrany ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta eo amin’ny fampandrosoana ara-toekarena, ny lafiny maha-olona, toy ny tontolon’ny fahasalamana, ny fampianarana, sns.

Ankoatra izay, noresahin’ny Filoham-pirenena tamin’ity Mpanjakavavin’i Swaziland fa maro ny ezaka vitan’ny Fitondram-panjakana eo amin’ny tontolon’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza tamin’ny alalan’ny fikarakarana manokana ireo vehivavy voan’ny homamiadana. Teo ihany koa ny ezaka eo amin’ny tontolon’ny fampianarana, izay noraisin’ny vadin’ny Filoham-pirenena, Voahangy Rajaonarimampianina, an-tanana ny fananganana sekoly maro, ny trano famakiam-boky, ny fizarana fitaovam-pianarana, sns. Anisan’ny laharam-pahamehan’ny Filohan’ny Repoblika rahateo ny fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka, tafiditra amin’izany ny reny sy ny zaza, ary indrindra ny fampidirana an-tsekoly ireo ankizy sy ny fanatsarana ny tontolon’ny fampianarana amin’ny ankapobeny.

Noho izany indrindra, tsy nohadinoin’ny Mpanjakavavy, Ntombo Thwala, ny nanasa ny vadin’ny Filoham-pirenena hitsidika an’i Swaziland.

Ankoatra izay, nanatitra ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara ihany koa ny masoivoho vaovaon’i Swaziland. Marihina fa sambany no nitsidihan’ity Mpanjakavavin’i Swaziland ity an’i Madagasikara.

 

MN