15/12/2018

Madagasikara-Frantsa : Samy marary

AFP, RFI, Le Monde, France 24, TV5 Monde, Le Parisien, sns. Tsy misy resaka afa-tsy ny aretina pesta sy ny tsy fandriam-pahalemana ny vaovao avoakan’ireo hainoamanjery vahiny, indrindra ny hainoamanjery frantsay, raha vao miresaka momba an’i Madagasikara. Teratany frantsay iray izao aloha no voalaza fa matin’ny pesta tany Toamasina, raha 107 kosa no isan’ny olona voalaza fa matin’ity aretina ity manerana an’i Madagasikara.

Tiberkilaozy sy SIDA

Marina tokoa ny voalaza tao amina tambazotra iray, ary azo hamarinina ao amin’ny adiresy (https://www.ouest-france.fr/sante/sida/les-chiffres-du-sida-en-france-4880985) fa manodidina ny 6 000 isan-taona no isan’ny frantsay mitondra ny otrik’aretina SIDA nanomboka ny taona 2011, ary mahatratra 153 000 ireo efa mitondra ny VIH, ka ny 2 600 amin’izy ireo dia lehilahy manao firaisana amin’ny lehilahy. Azontsika an-tsaina ve izany hoe olona miisa 6 000 isan-taona izany no voan’ny SIDA ao Frantsa ao, koa nahoana no anaovana resabe miendrika fandrabirabiana mihitsy ny aretina pesta eto amintsika? Toraka izany koa ny aretina raboka (tuberculose). Mahatratra hatrany amin’ny 5000 ny trangan’aretina raboka any Frantsa, manodidina ny 900 isan-taona kosa ireo maty votrak’izany (https://www.pasteur.fr/fr/centre-medical/fiches-maladies/tuberculose).

Bataclan sy Nice

Teratany malagasy iray no maty nandritra ny tifitra vary raraka tao Bataclan ny faha-13 Novambra 2015. Nahatratra 130 no isan’ny maty, ary 413 kosa ireo naratra mafy. Lasibatry ny tifitra vary raraka ny trano fisakafoana, ny “café” ary ny toerana fijerena fampisehoana. Teratany malagasy roa indray no maty, ary efatra naratra mafy tany Nice, ary tafakatra hatrany amin’ny 86 no isan’ireo olona maty, 458 kosa ireo naratra mafy ny faha-14 Jolay 2016 nankalazana ny fetim-pirenena frantsay.

Ankoatra ireo zava-doza nitranga tany Bataclan sy Nice ireo dia azo jerena ao amin’ny adiresy https://www.interieur.gouv.fr/Archives/Archives-des-actualites/2017-Actualites/Bilan-statistique-de-la-delinquance-en-2016 ihany koa ny kabarin’ny minisitry ny Atitany Frantsay Bruno Le Roux, izay milaza amin’ny antsipiriany miaraka amin’ny tarehimarika ny tontolo manodidina ny asan-jiolahy sy ny halatra ao Frantsa.

Samy marary

Inona no tiana ambara? Miatrika fahasahiranana ny fitondrana sy ny vahoaka malagasy noho ny fisian’ny aretina pesta, eo ihany koa ny asan-jiolahy izay iniana atao hanakorontanana ny fiainam-bahoaka. Samy marary amin’ny fahavoazana mahazo azy, na ny vahoaka Malagasy, na ny vahoaka Frantsay, saingy ny fivoizana resaka mivantana, na an-kolaka fa tsy azo iainana intsony eto Madagasikara noho ny aretina pesta sy ny tsy fandriam-pahalemana, dia manery ny tena hilaza hoe: “jereo aloha ny zava-misy ao aminareo!”.

Mbola tsy naneso, na koa nibitaka tamin’ny fahavoazan’ny vahoaka Frantsay mihitsy ny hainoamanjery Malagasy, ka nanentana an-kolaka na mivantana izao tontolo izao hanalavitra izany Lafrantsa izany, noho ny tsy fandriam-pahalemana sy ny aretina SIDA. Miantefa any amin’ireo teratany malagasy faly mitanisa ny vaovao avoakan’ireo hainoamanjery vahiny koa anefa izao fanamarihana izao. Mbola averina etoana fa tsy manamaivana ny fahasahiranana atrehin’ny Malagasy roapolo tapitrisa akory no nanaovana izao lahatsoratra izao, fa mba ho fampieritreretana fotsiny ihany.