16/11/2018

Lozam-pifamoivoizana tany Sambava : Vehivavy iray namoy ny ainy, mopera iray hafa naratra

Fiara taksiborosy minibus nitondra ny Zanak’I Masina Maria (ZMM) miisa valo avy any Sambava no niharan-doza tany Ambohimalaza, ao amin’ity distrika ity ny tolakandron’ny alakamisy lasa teo ka vehivavy mpino katolika iray no namoy ny ainy, ary mpandeha maromaro no naratra, ka isan’izany ny mopera iray. Araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, dia nifanena ary nifandona avy hatrany tamin’ny fiara minibus iray hafa hoany amin’ny vohitra Andohan’Antsahabe io fiara fitateram-bahoaka handeha hizotra ho any Ambodiampandana io , rehefa hiditra ny tanànan’Ambohimalaza. Vokatr’izay fifandonana izay heverina ho mafy dia mafy izay, dia nivadika nihorirana nahazo kirihitr’ala mihitsy ny iray tamin’ireo fiara ireo. Mpandeha iray izay mpivavaka ao amin’ny Zanak’I Masina Maria nipetraka teo anoloana , akaikin’ny mpamily no maty tsy tra-drano. Tafiditra tao anatin’ireo naratra ihany koa ny mpitondra fivavahana iray ao amin’ity antokom-pinoana ity, izay efa manaraka fitsaboana amin’izao fotoana izao. Raha ny voalaza hatrany moa, dia tokony niaraka tamin’ireo fiara marobe namany natokana hitondra ireo Zanak’I Masina Maria ireo mpino valo niharan-doza ireo, saingy tsy antonona izany ka voatery nandeha fiara taksiborosy ireto farany. Tsy fantatra mazava moa izay antony tena nihavian’ny loza saingy efa mandeha ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity. Ny harivan’ny alakamisy tamin’ny 06 ora ihany, dia efa natolotra ny fianakaviany ihany koa ny vata mangatsiakan’io namoy ny ainy io.

Mialy R.