25/05/2018

Lozam-pifamoivoizana tany Sakaraha : Mpitsabo iray namoy ny ainy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesan’olona indray tany amin’ny toerana 02 kilometatra tsy hiditra an’i Sakaraha, distrikan’ i Toliara ny alahady lasa teo tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany maraina, ka lehilahy “Médecin Inspecteur” iray avy any Port-Bergé no namoy ny ainy vokatr’izany. Araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny kaomisaria any an-toerana, izay nandray an-tanana ny raharaha, dia avy any Antsohihy, faritr’i Sofia handeha hamonjy ny “grand staff” n’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka any Toliara ity fiara 4×4 Mitsubishi L200, nitondra io mpitsabo niharan-doza io sy ny namany roalahy hafa no nodomina fiara 4×4 Renault Duster an’ny primatiora izay nentina mpitsara, ka nivadibadika ary nifatratra tamina hazo vao nijanona. “Nangata-dalana tamin’ilay fiara nitondra ireo mpitsabo io fiara Renault Duster avy aoriana io, no nangalatra havia tampoka ilay fiara Mitsubishi izay efa naka sisiny ka voadona, ary izao namoa-doza izao”, hoy ny fanamarinam-baovao avy eo anivon’ny kaomisarian’i Sakaraha. Raha ny voalaza hatrany moa, dia samy nandeha mafy ireo fiara roa ireo.

Naratra mafy vokatr’izany ireo tompon’andraikitry ny fahasalamana miisa telo ireo, ary araka ny loharanom-baovao ihany, dia teny an-dalana hamonjy hopitaly no namoy ny ainy io mpitsabo iray io. Tsy nisy naninona kosa ny mpamilin’ireo fiara roa tonta saingy nikaperotra tanteraka ilay fiara voadona avy aoriana, raha toa ka tsy dia nahitana fahasimbana firy ilay fiara tsy mataho-dalana iray . Efa nampakarina eny amin’ny hopitaly Hjra ny alatsinainy maraina lasa teo moa ireo “Médecin Inspecteur” roa avy any Bealanana sy Mampikony, nanaraka fitsaboana . Efa misokatra ihany koa ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity, ary efa notanana hanaovana fanadihadiana any amin’ny kaomisarian’i Sakaraha ilay mpamily sy ilay fiara nahavanon-doza. Nirongatra indray ny lozam-pifamoivoizana nahafatesan’olona ny faran’ny herinandro iny, ka olona tsy latsaky ny telo no namoy ny ainy. Isan’ny nameno io isa io ny loza niseho tany amin’ny lalam-pirenena fahefatra, tany Mamokomita Mahatsinjo omaly tokony ho tamin’ny 02 ora tolakandro, izay nahafatesana ny mpamily ary naharatrana olona maro tao anatin’ilay fiara kely niharan-doza.

Mialy R.