16/12/2018

Lozam-pifamoivoizana tany Marozevo : Zaza efa-bolana maty tsy tra-drano

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray ny lalam-pirenena faha-2. Zaza vao efa-bolana monja no maty tsy tra-drano vokatry ny fifandonana nateraky ny Taksiborosy Sprinter iray sy kamio tany Mahasoa Marozevo, omaly antoandro tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany tany ho any. Fifampisongonana teo amin’ny roa tonta no voalaza fa nahatonga ny loza. Potika ihany koa ny fiara noho ny nafitsok’ireto mpamily.
Zotra nasionaly nanao asa fitaterana avy aty Antananarivo no nifandona tamin’ny kamio iray avy any Moramanga no niharan-doza teo amin’ny PK 74+200. Araka izany mpandeha avokoa no tao anatin’ity fiara “Sprinter” ity, izay namoy ny ainy avy hatrany ilay zazakely teny amin’ny reniny, izay nipetraka tao aorian’ny mpamily, rehefa voadona mafy teo amin’ny lohany nandritra izany. Ankoatra ity namoy ny ainy, nandratra olona manodidina ny 18 ireto fiara vokatry ny fifandonana. Tsy misy ahiana intsony ny ain’izy ireo ambiny raha ny tati-baovao taorian’ny nahatongavany teny amin’ny toeram-pitsaboana, 5 no efa voatsabo ary nalefa nody. Ny telo hafa izay tena naratra mafy tamin’ireo indray no voatery nafindra aty an-drenivohitra hotsaboina noho ny fahavoazany.

Niteraka fitohanana naharitra. Araka ny fitantaran’ny mpandeha, samy nandeha mafy ny roa tonta izao nitera-doza izao. Azo lazaina ho tsy nifankahita ny andaniny sy ny ankilany vao afaka teo amin’ny fiholanana noho ny fisongonana ny lalana, hoy ny fanazavana voaray. Niezaka niala lalana ihany ny fiara iray, saingy tsy afaka noho ny haterin’ny lalàna. Potika avokoa ireo fiara roa, ary dia naratra avokoa ny mpamily, ka tsy nisy nahatsiaro tena. Nampandre ny manam-pahefana teny an-toerana ireo nanatri-maso. Ora vitsy ihany dia tonga nijery mivantana ny zava-nitranga kosa ireo mpitandro ny filaminana. Tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo zandary nisahana ny raharaha vao natomboka ny fandaminana ny fifamoivoizana. Nanano sarotra izany satria dia nibahana teo afovoan’arabe ireo fiara tra-doza, ka naharitra ora maro mihitsy vao niverina tamin’ny laoniny ny fitaterana tany an-toerana. Ranolava ny lozam-pifamoizana tany amin’iny lalam-pirenena tato ho ato. Raha any amin’iny lalam-pirenena fahafito iny no matetika nitrangan’izany. Saika namoizana aina sy nandratrana olona maro hatrany izany tao anatin’ity volana ity. Inona izany ny fepetra horaisin’ny tompon’andraikitra amin’ny tranga tahaka ity. Raha ny tokony ho izy mantsy dia tsy tokony hatao manakaiky ny mpamily na eny aloha mihitsy ny zaza.

Valérie R.