19/11/2018

Lozam-pifamoivoizana tany Manjakandriana : Olona 2 no namoy ny ainy

Manao ranolava indray tato ho ato ny loza hateraky ny fifamoivoizana izay ahafatesana olona maro. Mpamily môtô miisa roa namoy ny ainy vokatry ny fifandonana no fantatra fa maty tsy tsa-drano nifandona tamin’ny kamio vokatry ny tsy fitandremana, izay teo amin’ny fiolanana no tsy nahatana ny hisatra ny mampily ka nifatratra tamin’ireo mpanedeha môtô. Ny marainan’ny Alahady lasa teo no fantatra fa nitrangan’ity loza mahatsiravina ity tao Manjakandriana, tokony ho tamin’ny 2 ora maraina tany ho any. Araka ny loharanom-baovao mari-pototra dia voalaza fa ny mpamily nitondra kaomio no nifanehitra tamin’ireo mpitondra moto, izay fantatra fa nanao hitsin-dalana ity mpamily ny fiarabe ka izao nifatratra avyhatrany tany amin’ireto roa lahy. Fantatra tamin’ny fitsirihana nataon’ireo mpitandro ny filaminana teny an-toerana tamin’izany fa nivadika ambony ambany mihitsy ireo mpandeha môtô, ka voatery tsy maintsy nosokirina tao ambany fiarabe ireto tra-doza, izay hita fa voatsidry mafy noho ny fahavoazany. Naharitra ora maro ihany koa noho izany ny famonjena ireto niharam-boina ireto, ka izao niteraka fahafatesana izao, hoy hatrany loharanom-baovao.

Valérie R.