17/10/2018

Lozam-pifamoivoizana tany Ankazobe : Olona roa maty tsy tra-drano

Mpamily sy vehivavy iray no namoy ny ainy teo noho eo vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tany Ankazobe, 100 kilometatra tsy hahatongavana aty Antananarivo, omaly tokony ho tamin’ny 05 ora maraina. Araka ny voalazan’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena ao amin’ity distrika ity, dia avy any Ambanja ity fiara fitateram-bahoaka niharan-doza ity no nivadika indray mandeha teo amina fidinana teo amin’io toerana io rehefa tojo olana teo amin’ny lafin’ny hisatra. Ankoatra ireo namoy ny ainy moa, dia mpandeha miisa 12 hafa no naratra vokatr’izany ka ny 04 tamin’izy ireo no tena voa mafy, izay nalefa avy hatrany eny amin’ny hopitaly Hjra, ary mbola manaraka fitsaboana eny an-toerana amin’izao fotoana izao.

Mialy R.