18/10/2018

Lozam-piarakodia teny Anosibe : Mpamily nahafaty zaza 4 taona

Notanana am-ponja vonjimaika ny mpamily iray nandona ary nahafaty zazalahikely efatra taona teny Anosibe rehefa avy nalaina am-bavany teny anivon’ny fampanoavana omaly. Olona efatra ankoatra azy ihany koa noho izany no samy natao famotorana niaraka taminy nandritry ny fanadihadiana ny raharaha teny an-toerana. Isan’izany ity nitondra ny fiara nitera-doza tompon’antoka voalohany tamin’ny tranga, ary ireo olona nanatri-maso ny fisehoan-javatra tamin’io tolakandro io. Fantatra araka ny loharanom-baovao tamin’izany mantsy fa ny herin’ny alarobia lasa teo no nisehoan’izany teny an-toerana, izay samy nanana ny filazany avokoa ireo rehetra voasaringotra tamin’izany. Na dia izany aza dia miompana tanteraka any amin’ny mpamily nahafaty zazakely ny raharaha, izay voalaza fa nisy ny tsy fitandremana teo amin’ny ray aman-drenin’ity farany, raha voalaza fa mivarotra eny antsisin-dalana eny an-toerana ihany ny rainy. Noho izany dia niampita tampoka ilay tovolahikely noho izao notsenain’ny fiara nandeha mafy izao, ka voadona mafy. Nanaiky ny hisian’ny marimaritra iraisana tamin’izany ny fianakavian’ny maty noho izay fahadisoana teo amin’ny zanany, izay fifanarahana tany amin’ny fiandohan’ny raharaha. Nitsoaka sy niala ny andraikitra indray anefa ity farany, ary tsy hita popoka taorian’izany. Tamin’ny fanadihadiana azy ireo mahakasika ny fifandonana teny an-toerana mantsy dia fantatra fa naratra mafy ilay tovolahy kely vohitsaky ny fiara io, ary namoy ny ainy noho ny tonga tany amin’ny toeram-pitsaboana. Voatery tsy maintsy nametraka fitoriana noho izany ny havan’ilay zaza noho ny fivadiham-pitokisana nataon’ity mpamily tamin’izy ireo, izay mbola sady nahafaty olona.

Valérie R.