17/08/2018

Loza voajanahary : Ahiana ho lasibatry ny horohoron-tany

Efa mandray ny andraikitra tandrify ny tompon’andraikitra any amin’ny faritra Boeny, ny amin’ny mety ho fandalovan’ny horohoron-tany any an-toerana. Araka ny fanambarana nataon’ny birao mahaleo tena misahana ny loza voajanahary na ny Bngrc mantsy, dia ahiana hisy fiantraikany eto Madagasikara ny horohoron-tany misy any Mayotte, izay nanomboka nahery vaika ny 10M mey lasa teo hatramin’izao. Nitondra ny fanazavana mahakasika izany indrindra ny préfet Ravelomahay Lahiniaina Fitiavana tamin’ny mpanao gazety tany an-toerana, afakomaly fa “efa miomana amin’ny fiatrehany izany loza voajanahary izany ny ao amin’ny faritra Mahajanga, raha toa ka hisy izany”. Noho ny tresaka mihetsika mampitohy hatrany amin’ny morontsiraka andrefan’i Madagasikara, ka mety hahakasika azy no anton’izany. Taorian’ny naharaisana ny fanairana amin’ity horohoron-tany mitady hahakasika an’i Madagasikara ity, dia efa nanao antso avo tamin’ny mponina tao an-toerana ireo tompon’andraikitra mba ho tony manoloana ny fiparitahan’ny vaovao mahakasika izany, indrindra ny any amin’ny faritra Boeny. Izay azo lazaina fa loza mitatao ihany koa noho ity tranga tsy misy ahafantarana azy ka tsy azo hamaivanina.

Valérie R.