25/04/2018

Lalan’ny fifidianana : Anio ny fandaniana

Toarian’ ny fakan-drivotra kelin’ ireo solombavambahoaka dia hiroso amin’ny asa mivaingana amin’izay izy ireo androany, satria dia kihon-dalana goavana eto amin’ny firenena no miandry azy ireo, dia ny lalàna izay hifehy ny fifidianana filoham-pirenena izany. Raha tsiahivina ny zava-nitranga farany teny amin’ity lapam-panjakana ity, dia nisy ny tsangan-tanana tamin’ ny fanemorana ny fotoam-pifidianana noho ny mbola tokony handinihana ireo fanitsiana izay miisa 83. Ekena ary tsy azo lavina tokoa izany fotoam-pandinihana izany, satria dia hiankinan-javatra maro ity lalàna ity. Tsy mahagaga kosa anefa ny an’ireo solombavam-bahoaka sasany izay tsy nanaiky io fanemorana io, satria dia efa zatra amboletra, ka na dia hitarika ny firenena any anaty kizo aza dia alefa ho any fa ho any. Ny azo inohana aloha dia ahafahana tanteraka ny fotoam-pivoriana androany eny Tsimbazaza io, satria raha ny hitan’ ny maso farany teo, dia efa nisy ny vava tsy voahevitra sy ny teny mahery izay efa nandeha. Ankilany anefa dia tsapa hatrany ny fanirian’ny sasany hamboly korontana eny anivon’ny antenimieram-pirenena io, satria misy amin’ ireo solombavambahoaka sasany no tsy mahazaka ny demokrasia, ka hany herin’izy ireo dia izay no hitany fa vahaolana. Marihana anefa fa lalàna izay efa nangalana ny hevitry ny mpisehatra amin’ny raharaham-pirenena maro izay holaniana ity, nefa dia azo tsapain-tanana ny tsy fandavan’ ireo solombavambahoaka mpanohatra azy. Ny tokony ho hitodihan’ ny mason’ireo olomboafidy ireo anefa dia ny vahoaka izay nanome fahefana azy ireo, satria dia lalàna hiantoka ny filaminana sy fizotran’ny fiainam-pirenena tokoa ity lalàna ity. Tsy tokony ho tia tena noho izany ireo vitsy an’isa, izay tsy mitady hafa tsy korontana, ka izay mba tombotsoam-bahoaka no hany tokony ho kendren’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara tsy ankanavaka.

Iratra Raitra