20/09/2018

Kortezin’ny PM : Nodoran’ny olona teny Ivandry

Fanararaotam-pahefana! Izay no azo ilazana ilay lozam-pifamoivoizana nitranga tetsy Ankorondrano omaly. Nandeha « sens unique » ny kortezin’ny praiminisitra Ntsay Christian maika hamonjy sakafo be tany an-tranony, efa fomba fanaony ity mandeha “sens unique” ity rehefa mody, hoy ny mponina teny an-toerana. Nandona ankizy roalahy ilay kortezy izay sady mandeha mafy no “sens unique” araka ny efa nambara tetsy ambony. Nanomboka nitangorona ny mponina rehefa nitranga ny loza. Nanohy ny diany indray nefa ilay fiarakodia Toyota Yaris mpisava lalana, ka efa teny akaikin’ny La City vao voasakan’ny olona, afaka nandositra kosa ny fiara V8 nitondra an’i Ntsay Christian. Naongan’ny olona ilay Toyota Yaris nandona ireto zazalahy ireto, ary nodoran’ny mponina. Vaky nandositra kosa ireo mpiambina nandeha tamin’ilay fiara rehefa nahita ny hatezeran’ny vahoaka.Fandosirana andraikitra manoloana olona tra-doza (non assistance à personne en danger), fandosirana tsotra izao (délit de fuite) izay samy heloka tondroin’ny Fehezan-dalana famaizana no azo hanenjehana izay tompon’andraikitra tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity. Azo antoka fa tsy maintsy ny praiminisitra no nanome baiko ny mpamily nitondra azy handositra rehefa voasakana ilay Toyota Yaris mpisava lalana. Izany no toetran’ny mpitondra eto amintsika ankehitriny: manampatra ny fahefana eo am-pelatanany, ary manao tsinontsinona ny aim-bahoaka. Nasian’ny mponina teny an-toerana tsindrim-peo fa io mandeha “sens unique” io hatrany no fomban’ity praiminisitra ity rehefa mamonjy fodiana.