19/12/2018

Kolonely Ratsimandrava : Feno 43 taona no namonoana azy

Feno 43 taona omaly 11 febroary 2018 no namonoana ny kolonely Richard Ratsimandrava sy ireo zandary namoy ny ainy nandritra ny iraka nampanaovina azy ireo. Nisy noho izany ny fahatsiarovana sy ny fanateram-boninkazo teny Ambohijatovo, nataon’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena, izay notarihin’ny sekreteram-panjakana miadidy ity vondron-kery ity, ny jeneraly Randriamahavalisoa Girard sy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena Béni- Xavier Rasolofonirina . Nampatsiahivin’izy ireo nandritra io fotoana omaly io, ny ezaka vitan’ity olomangan’i Madagasikara ity ho an’ny firenena, sy ny fitiavan-tanindrazana nasehony, izay mipetraka ho tantara. Isan’ny nampiavaka ny kolonely Ratsimandrava ny fananany herim-po na dia efa fantany aza fa mihatra aman’aina ny adidy aman’andraikitra miandry azy. “Tsy hiamboho adidy aho Mon Général”. Io fehezanteny tokana io no navaliny, tamin’ny fotoana nandraisany ny fahefana tamin’izany fotoana. Raha tsiahivina, dia ny 11 febroary 1975 ity filoham-panjakana ity no notifirina polisy iray avy tao amin’ny GMP (Groupe Mobile de la Police). Ankoatra ny kabary nifandimbiasan’ireo tompon’andraikitra ara-miaramila sy fanateram-boninkazo moa dia isan’ny nentina nanamarihana izao fahatsiarovana izao ihany koa ny fanolorana fanomezana ho an’ireo fianakaviana navelan’ireo mahery fo.

Mialy R.