23/09/2018

Kidnapping Moustafa Hiridjee : Lehilahy iray natolotra ny fampanoavana

Lehilahy iray voarohirohy tamin’ny raharaha kidnapping an’ilay mpandraharaha karana Moustafa Hiridjee no nentina teo anatrehan’ny fampanoavana io omaly io. Rehefa nivoaka anefa ny didy, dia navotsotry ny fitsaràna ity farany noho tsy fahampian’ny porofo hanenjehana azy. Niainga tamin’ilay fiara niloko mavo nampiasain’ireo jiolahy miisa fito, ary najanon’izy ireo teny amin’ny tetezan’i Tsarasaotra Soavimasoandro ny 11 jona nisehoan’ity fakana an-keriny ity mantsy ny famotorana. Rehefa nojerena ny anarana sy ny adiresin’ilay olona nisoratra tamin’io fiara io, dia nitondra tany amin’ity lehilahy ity. Niroso tamin’ny fisamborana azy ireo manam-pahefana tamin’ity herinandro ity ary nentina sy notazon ina nanaovana fanadihadiana teny amin’ny “cellule mixte” teny amin’ny toby Ratsimandrava Andrefanambohijanahary ny tenany taorian’izay. Nambarany tamin’ireo mpitandro ny filaminana mpanao famotorana, nandritra ny fakana am-bavany fa efa namidiny tamin’olona io fiara io, saingy mbola tsy voasoratra tamin’io mpividy io. Nolazainy ihany koa fa tsy fantany ny mahakasika ireo olona ireo. Raha nanantena ny hitohizan’ny fanadihadiana sy ny fisamborana tamin’ny alalany ireo manam-pahefana, dia nandamoka izany. Dila moa ny fotoana nahafahana nitazomana azy teny amin’ny biraon’ny manam-pahefana ka tsy maintsy nentina teo amin’ny fampanoavana io omaly io ny raharaha, ary izao nahazoany fahafahana vonjimaika izao. Tsy midika anefa izany fa afaka tanteraka ao anatin’ity resaka fakana an-keriny, niseho iraika ambin’ny folo andro lasa ity lehilahy ity fa tsy maintsy mbola hisy ny fampiantsoana azy amin’ny fotoana ilavan’ireo mpanao famotorana izany.

Mialy R.