19/12/2018

Kidnapping Karana : Mazava ny resaka

Nametra-panontanina hatrany isika teto amin’ny gazety hoe: « iza ihany izao mila vola be amin’ity resaka kidnapping ity izao?”. Mirongatra tokoa mantsy ny fakàna an-keriny teratany Karana, na kidnapping isaka ny fotoam-pifidianana…

Kidnapping miisa sivy no nitranga to anatin’ny telo volana mahery kely nandritra ity governemanta Ntsay Christian ity. Amina miliara maro ny vola lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany. Fitaovam-piadiana mahery vaika sy fanamiana miaramila no eny am-pelatanan’ireo mpaka an-keriny, ary tena tsy matahotra mihitsy izy ireo manatanteraka ny asa ratsiny tahaka ny nitranga tetsy amin’ny tokontanin’ny Assist Ivandry.

Mazava nefa izao ny resaka mikasika ity kidnapping ity. Nosamborin’ny mpitandro filaminana tao an-tranony ny lehilahy iray antsoina hoe Haja Nirina Dinah, taorian’ny angom-baovao sy ny fanadihadiana. Ity olona ity no voalaza fa atidoha nikotrika ny fanatanterahana ny kidnapping ilay teratany Karana antsoina hoe Arman Kamis tany Ampasimazava Toamasina, ny faha-21 novambra lasa teo.
Efa voarohirohy tamin’ny kidnapping teretany Karana antsoina hoe Shane Kourjee tany Antsirabe ihany koa ity lehilahy ity, voalaza mihitsy aza fa efa notanana am-ponja, saingy tafavoaka hatrany. Izany hoe efa kalaza amin’ny resaka fakana an-keriny, ary manana mpiaro mafy lamosina tokoa.

Amina miliara maro ny vola lasan’ireo mpanao kidnapping tato anatin’ny telo volana mahery kely, tafiditra indrindra tao anatin’ny vanim-potoana nanatanterahana ny fiomanana rehetra manodidina ny fifidianana fihodinana voalohany, ary izao fiatrehana ny fampielezan-kevitra amin’ny fihodinana faharoa izao. Haverina eto ihany ny fanontaniana napetraka teto amin’ny gazety nanitikitika ny maro nanao hoe: “iza loatra izao mitady vola be amin’ny alalan’ny kidnapping Karana izao e?”.

Mazava izao ny resaka, ary tsy ilàna fanazavana be intsony. Anjaran’ny mpamaky no manao tsoa-kevitra sy mandinika araka izay fahitany azy. Fa mbola fanontaniana mipetraka koa ny hoe: “avy aiza ny basy ny fanamiana miaramila anaovan’ireny mpanao kidnapping ireny?”. Aoka ho ny mpamaky hatrany no hamaly izany.