22/02/2018

Kidnapping an’I Kalidas : Inspecteur de police iray karohana

Na dia efa votsotra teny am-pelatanan’ireo jiolahy aza ilay karana mpandraharaha, tompon’ny “bijouterie” Kalidas etsy Andohanan’Analakely, dia mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana sy ny fikarohana hataon’ireo mpitandro ny filaminana. Ankoatran’ireo efa-dahy izay efa nampidirina am-ponja eny Tsiafahy, dia fantatra fa “inspecteur de police” iray no hifampitadiavana amin’izao fotoana izao. Ahiana ho isan’ny nandray anjara tao anatin’io asa ratsy nitranga ny 17 janoary io ity manampahefana ity ka izay no hikarohana azy, mba hahafahana manao ny fakana am-bavany. Araka ny loharanom-baovao moa, dia efa nifanenjehana teny Anosipatrana , hatrany amin’ny toerana ivelan’Antananarivo ity mpitandro ny filaminana ity tamin’ny atalata lasa teo ity, saingy raha ny fantatra, dia tsy mbola tratra ity farany, ary mbola mitohy ny fikarohana azy. Marihina moa fa polisy avokoa ireo roalahy mpiambina niaraka tamin’ity karana ity tamin’io fotoana io, ka tsy fantatra na misy hifandraisany amin’izy ireo ity “inspecteur” hifampitadiavana ity na tsia. Mihazakazaka ny fivoaran’ny toe-draharaha mahakasika ny fakana an-keriny an’I Kalidas satria vao votsotra ity karana tompona orinasa matanjaka ity, dia efa nitohy indray ny fisamborana. Araka ny loharanom-baovao marim-pototra hatrany mantsy, dia fantatra fa noho ity kidnapping voalohany niseho tamin’ity taona ity no nisamborana ary nitondràna ireo roalahy avy any Toamasina hiakatra teo Antananarivo ny alatsinainy alina lasa teo. Mbola tazomina eny amin’ny foiben’ny “cellule mixte” eny amin’ny toby Ratsimandrava izy ireo amin’izao fotoana izao hahafahana mamantatra ny marina rehetra momban’iny fakana an-keriny tetsy Antanimena iny. Mahakasika ny kidnapping an’I Akyl Cassam Chenai tany Toamasina kosa indray, dia fantatra fa efa nangataka vola ho takalon’ity mpandraharaha any an-toerana ity ireo jiolahy. Telo tapitrisa Euro no notakian’izy ireo raha ny voalaza, saingy tsy nahazoana fanamarinana avy eo anivon’ny mpitandro ny filaminana ny mahakasika izany.

Mialy R.