19/11/2018

Kidnapping an’I Akyl Cassam : Omena valisoa izay manome vaovao

Feno telo ambin’ny folo andro anio no nitazoman’ireo jiolahy an’I Akyl Cassam Chenai, izay tsy mbola nandrenesam-baovao hatramin’izao. Ho fankasitrahana sy ho famporisihana ny olon-drehetra tsy ankanavaka, hiara-hiasa hatrany amin’ireo mpitandro ny filaminana ao Toamasina, dia nanambara ny Lietna-kolonely Ralaikoa Tianarivo Gabriel Armandin, kaomandan’ny vondro-tobi-paritry ny zandarimaria any Toamasina fa omena valisoa ireo izay mahita na manam-baovao mahakasika ity karana mpandraharaha ity sy ireo jiolahy naka an-keriny azy. Mba hanamorana ny fomba fiasa, dia nisy ny laharana maitso navoaka, hahafahan’ny rehetra miantso avy hatrany amin’izay fanomezam-baovao izay. Nambaran’ny eo anivon’ny Emmo-Reg any amin’iny faritra atsinanana iny nandritran’ny valan-dresaka nataon’izy ireo niaraka tamin’ny mpanao gazety tany an-toerana ihany koa io omaly io fa tsy mbola tafavoaka ao amin’ity faritany ity io karana io sy ireo olon-dratsy tompon’antoka tamin’ny fanaovana kidnapping azy. Marihina fa efa nisy olona maromaro nalaina am-bavany mahakasika ity raharaha fakana an-keriny tao Salazamay ity saingy tsy mbola nahitàna mangirana izany. Noho ny tsy fisian’ny porofo mazava hanenjehana azy ireo ihany koa, dia nalefa nody ireto farany vantany vao vita ny famotorana azy ireo. Na dia eo aza io valisoa izay tsy nahazoam-baovao ny teti-bidin’izany satria miovaova arakaraky ny fanomezam-baovao voaray, dia mbola nanentana hatrany ireo vahoaka, ny mpitandro ny filaminana ao Toamasina, hifanome tanana amin’izy ireo hahafahana mamongotra ny tsy fahandriam-pahalemana, indrindra fa ny resaka kidnapping. Efa isan’ny fananterahana ny baiko nomen’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina amin’ny ady amin’ity asa ratsy ity ihany koa izany. Hiaraha-mahalala fa anokoatran’Antananarivo, dia isan’ny lasibatra amin’ny resaka kidnapping ihany koa ny faritanin’I Toamasina. Mahakasika ny vola 03 tapitrisa Euro izay voalaza fa notakian’ireo olon-dratsy ho takalon’ny famotsoarana ity karana ity, dia tsy nanan-kambara ary nilaza ho tsy nahazo fampilazam-baovao mahakasika izany ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana.

Mialy R.