18/11/2018

Karatry ny mpanao gazety : Zaraina manomboka ny 1 oktobra

Efa miroso amin’ ny fanotana ny karatra maha matihanina ho an’ny mpanao gazety ankehitriny, ny kaomisiona. Fantatra fa hanomboka ny voalohan’ ny volana oktobra ho avy izao ny fizarana izany, ka mpanao gazety 1 145 no hisitraka izany. Raha ny fanazavana azo, hahitana ny kaody QR ity karatra vaovao ity. Izany hoe voaaro tanteraka, ary lavitry ny hosoka. Izao no natao hoy ny komity misahana ny karatra maha matihanina ny mpanao gazety dia hialana tanteraka amin’ny hosoka, izay enjehin’ny lalàna tanteraka. Satria tsy hitsahatra hatreo ny asan’ny kaomisiona, dia afaka manao fitarainana ireo izay tsy mahazo ny karatra raha nahafeno fepetra. Ampiasaina ny karatra voalohany izany ny fifidianana izay ho filohan’ny holafitry ny mpanao gazety, izay efa mamita ny fe-potoana iasany amin’ izao fotoana izao.