24/06/2018

Jumbo Smart Tanjombato : Nisy nametraka baomba tao amin’ny trano fivoahana

Nahitana baomba vita tanana natao tanaty baoritra mainty teny amin’ny trano fivoahana teny amin’ny Jumbo Smart Tanjombato omaly tokony ho tamin’ny 06 ora hariva tany ho any. Tsy fantatra ny olona nametraka io fitaovana mety hipoaka io fa mpiasa tao an-toerana ihany no nahatsikaritra izany. Nampandre ny polisy sy ny zandary avy hatrany ireo tompon’andraikitra, ka fotoana vitsy vitsy taorian’ny antso dia tonga tao an-toerana ireo mpitandro filaminana. Araka ny vaovao farany voaray, omaly tamin’ny 08 sy 25 minitra alina dia tsy maintsy hopotehina io baomba io saingy mbola teo am-pijerena ny fomba hanatanterahana izany ireo manam-pahaizana manokana eo amin’io sehatra io. Mbola tsy fantatra noho izany na ao an-toerana, na bataina any an-kafa ny hanapoahana io fitaovana mahery vaika io. Tsy nisy olona nahazo nifamezivezy intsony tao an-toerana taorian’ity tranga ity. Araka ny nambaran’ireo mpitandro filaminana hatrany, dia nandefa hafatra miafina tamin’ny “facebook” ny olona nametraka io baomba io tao amin’ity toeram-piantsenana lehibe ity fa hapoakany izany raha tsy omena vola 10 Tapitrisa Ariary izy ireo. Efa misokatra ny fanadihadiana, ary efa mandeha ihany koa ny fikarohana ireo rehetra ao ambadik’ity fampihorohoroana ity.

Mialy R.